Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Isaia 40:31: “Izay Manantena An’i Jehovah ... Hahazo Hery Indray”

Isaia 40:31: “Izay Manantena An’i Jehovah ... Hahazo Hery Indray”

 “Fa izay manantena an’i Jehovah kosa hahazo hery indray. Hanidina ambony izy ireo, hoatran’ny hoe manana elatry ny voromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy ho vizana, ary handeha nefa tsy ho reraka.”​—Isaia 40:31, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Fa izay matoky ny TOMPO kosa dia hahazo hery vaovao hatrany, ka hisidina ambony toy ny voromahery. Hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka.”​—Isaia 40:31, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

Inona no tian’ny Isaia 40:31 holazaina?

 Manome toky an’izay olona manompo azy i Jehovah a Andriamanitra hoe rehefa misy olana mahazo azy ireo, dia homeny hery ry zareo mba handresena an’izany na mba hiaretana.

 “Izay manantena an’i Jehovah ... hahazo hery indray.” Tena afaka matoky an’Andriamanitra ny vahoakany, satria mahavita manampy sy manohana azy ireo izy sady te hanao an’izany. (Ohabolana 3:5, 6) Ahoana no ataon’Andriamanitra mba hahazoan’ny mpanompony hery? Omeny ny fanahiny masina, ohatra, izy ireo, izany hoe ny hery ampiasainy.​—Lioka 11:13.

 “Hanidina ambony izy ireo, hoatran’ny hoe manana elatry ny voromahery.” Inona no dikan’io sarin-teny io? Hoe tena misy vokany be eo amin’ny olona iray ny herin’Andriamanitra. Vao misy rivotra mafana, ohatra, eny amin’ny habakabaka, dia manararaotra an’izany ny voromahery rehefa manidina. Velariny ny elany, ary mihodinkodina ao anatin’ilay rivotra izy. Entin’izy io miakatra ambony be izy avy eo. Manidina mankeny amin’izay misy rivotra mafana foana ny voromahery, amin’izay mahavita mijanona eny ambony eny mandritra ny ora maro nefa tsy mandany hery firy. Izay foana no ataony mandra-pahatongany any amin’izay tiany haleha.

 “Hihazakazaka izy nefa tsy ho vizana.” Mety ho vizana isika na ho kivy rehefa misy olana mahazo antsika. Rehefa omen’Andriamanitra hery anefa isika, dia hahavita hiaritra sady hahavita hanao an’izay tokony hataontsika, na mafy be aza ny zavatra manjo antsika. Niaritra fitsapana faran’izay mafy ny apostoly Paoly. Izao anefa no nosoratany: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”​—Filipianina 4:13.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Isaia 40:31?

 Nasain’Andriamanitra nanoratra an’io andinin-teny io i Isaia mpaminany, 2 700 taona lasa teo ho eo izay. Natao ho an’ny mpanompon’Andriamanitra tsy mivadika rehetra ilay izy, nefa koa mety ho nasain’i Jehovah nosoratana mba hampaherezana an’ireo Jiosy ho lasa babo tany Babylona nandritra ny 70 taona. Hitan-dry zareo hoe tanteraka ireo tenin’Andriamanitra ireo, tamin-dry zareo nody tany an-tanindrazany, tamin’ny taona 537 Talohan’i Kristy. (Isaia 40:1-3) Nomen’Andriamanitra hery izy ireo, dia nahavita nanao dia lavitra avy tany Babylona ka hatrany Jerosalema, na dia lava be b sy nanahirana be aza ny lalana.​—Isaia 40:29.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra.​—Salamo 83:18.

b Angamba 1 600 kilaometatra teo ho eo ny lalana nandehanan’ireo Jiosy avy babo.