Hijery ny anatiny

Fahatsiarovana ny Nahafatesan’i Jesosy

Asabotsy 12 Aprily 2025

Mahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah, indray mandeha isan-taona. Nanome baiko mantsy i Jesosy hoe: “Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.”​—Lioka 22:19.

Asainay ianao hanatrika an’io fotoan-dehibe io.

Fanontaniana Fametraky ny Olona

Adiny firy ilay fandaharana?

Adiny iray eo ho eo.

Aiza ilay izy no hatao?

Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahalalanao hoe aiza no hatao ny eny akaikinareo.

Misy vidim-pidirana ve?

Tsia.

Misy fanantazan-drakitra ve?

Tsia.

Hoatran’ny ahoana ny akanjo tokony hanaovana?

Tsy misy karazan’akanjo manokana tsy maintsy anaovana. Na izany aza, dia miezaka manaraka ny torohevitry ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, izany hoe manao akanjo maotina sy manaja ny hafa. (1 Timoty 2:9) Tsy voatery hianjaika be ianao na hanao akanjo lafo vidy.

Hoatran’ny ahoana ny fizotran’ilay Fahatsiarovana?

Atomboka sy faranana amin’ny hira sy vavaka ilay fivoriana, ary Vavolombelon’i Jehovah iray no hanao ny vavaka. Lahateny na toriteny iray no tena hisongadina amin’ilay Fahatsiarovana. Horesahina amin’ilay lahateny hoe nahoana no zava-dehibe ny nahafatesan’i Jesosy, ary inona no azontsika atao mba handraisantsika soa avy amin’izay nataon’Andriamanitra sy Kristy ho antsika.

Rahoviana ny Fahatsiarovana manaraka?

2025: Asabotsy 12 Aprily

2026: Alakamisy 2 Aprily