Timoty Voalohany 2:1-15

  • Vavaka ho an’ny karazan’olona rehetra (1-7)

    • Iray ny Andriamanitra, iray ny mpanelanelana (5)

    • Vidim-panavotana mifandanja ho an’ny olona rehetra (6)

  • Toromarika ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy (8-15)

    • Manaova akanjo maotina (9, 10)

2  Voalohany indrindra àry, dia mampirisika aho hoe manaova fitalahoana sy vavaka sy fangatahana ary fisaorana ho an’ny karazan’olona rehetra,  anisan’izany ny mpanjaka sy izay rehetra mitana toerana ambony.*+ Amin’izay isika hanana fiainana milamina foana sy tsy ho voahelingelina, sady hahafoy tena tanteraka ho an’Andriamanitra sy ho matotra tsara.+  Tsara sady ankasitrahana eo imason’Andriamanitra Mpamonjy antsika+ izany.  Ary sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra+ sy ny hahalalan’izy ireo tsara ny fahamarinana.  Fa iray ny Andriamanitra+ ary iray ny mpanelanelana+ amin’Andriamanitra sy ny olona,+ dia olona iray atao hoe Kristy Jesosy,+  izay nanolotra ny tenany ho vidim-panavotana mifandanja, mba hamonjena ny olona rehetra.*+ Izany no hotorina amin’ny fotoana voatondro hanaovana an’izany.  Ary ny hitory an’izany+ no nanendrena ahy ho mpitory sy apostoly,+—milaza ny marina aho, fa tsy mandainga—ho mpampianatra an’ireo hafa firenena+ momba ny finoana sy ny fahamarinana.  Tiako àry raha mivavaka foana ny lehilahy, any amin’izay toerana rehetra ivorianareo, ka hanandratra tanana madio* rehefa manao an’izany,+ sady tsy ho tezitra+ na hiady hevitra.+  Ny vehivavy koa rehefa mihaingo, dia tokony hanao akanjo mendrika sy maotina, sady tokony hisaina tsara,* ary tsy hanao randrana miavaka be, na hiravaka volamena na perla na hanao akanjo tena lafo be.+ 10  Tokony hifanentana kosa amin’ny vehivavy milaza ho mpivavaka amin’Andriamanitra ny haingon’izy ireo,+ ka ny asa tsara ataony no haingony. 11  Aoka ny vehivavy hangina* sy hanaiky tsara+ rehefa ampianarina.* 12  Tsy avelako hampianatra na hanana fahefana amin’ny lehilahy ny vehivavy, fa tokony hangina*+ kosa. 13  I Adama mantsy no natao voalohany, vao i Eva.+ 14  Tsy i Adama koa no voafitaka fa ilay vehivavy no voafitaka tanteraka,+ ka lasa mpandika lalàna. 15  Ho voaro ihany anefa ny vehivavy rehefa manan-janaka,+ raha miezaka foana hanana finoana sy fitiavana ary ho masina sy hahay hisaina.*+

Fanamarihana

Na: “manana fahefana.”
Na: “karazan’olona rehetra.”
Na: “tsy mivadika.”
Na: “handinika tsara; ho hendry.”
Na: “tsy hiteniteny; ho tony.”
Izany hoe eo anivon’ny fiangonana.
Na: “tsy hiteniteny; ho tony.”
Na: “handinika tsara; ho hendry.”