Hijery ny anatiny

FANAZAVANA ANDININ-TENY

Jaona 3:16: “Fa Fatratra Tokoa ny Fitiavan’Andriamanitra Izao Tontolo Izao”

Jaona 3:16: “Fa Fatratra Tokoa ny Fitiavan’Andriamanitra Izao Tontolo Izao”

 “Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

 “Fa fatratra tokoa ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.”—Jaona 3:16, Fandikan-teny Katolika.

Inona no tian’ny Jaona 3:16 holazaina?

 Tian’Andriamanitra isika ary tiany hiaina mandrakizay. Izany no nahatonga azy haniraka an’i Jesosy Kristy Zanany hanketỳ an-tany. Betsaka ny zavatra lehibe nataon’i Jesosy tamin’izy teto an-tany. Nampianatra ny mpanara-dia azy momba an’Andriamanitra Rainy, ohatra, izy. (1 Petera 1:3) Nanome ny ainy ho an’ny olombelona koa izy. Tsy maintsy mino an’i Jesosy isika raha te hahazo fiainana mandrakizay.

 Hita avy amin’ilay hoe “nomeny ny Zanany lahitokana” fa tena tia antsika Andriamanitra. a Zanaka lahitokan’Andriamanitra i Jesosy. Nahoana no izany no iantsoana azy? Satria izy irery no noforonin’Andriamanitra mivantana. (Kolosianina 1:17) Izy no “lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.” (Kolosianina 1:15) Tamin’ny alalany no namoronana ny zavaboary hafa rehetra, anisan’izany ny anjely hafa. Nirahin’i Jehovah b Andriamanitra anefa io Zanany tena tiany io “mba hanompo, ka hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Nijaly sy maty i Jesosy mba hanafahana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana, izay nolovantsika tamin’i Adama, ilay olombelona voalohany.—Romanina 5:8, 12.

 Ahoana izany hoe maneho finoana an’i Jesosy izany? Tsy ampy ny hoe mino fa misy izy na miaiky hoe maty ho antsika izy. Tsy maintsy asehontsika amin’ny ataontsika hoe mino azy isika. Manao an’izany isika rehefa mankatò azy sy manahaka azy. (Matio 7:24-27; 1 Petera 2:21) Milaza ny Baiboly hoe: “Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay. Izay tsy mankatò ny Zanaka kosa tsy hahita fiainana.”—Jaona 3:36.

Inona no voalazan’ny teny manodidina ny Jaona 3:16?

 Tamin’i Jesosy niresaka tamin’ny mpitondra fivavahana jiosy iray atao hoe Nikodemosy izy no nilaza an’ireo teny ireo. (Jaona 3:1, 2) Nilaza tsipiriany momba ny Fanjakan’Andriamanitra c i Jesosy tamin’izay, ary niresaka momba ny hoe “ateraka indray.” (Jaona 3:3) Nolazainy koa tamin’io fotoana io hoe hoatran’ny ahoana ny fomba hahafatesany. Hoy izy: ‘Tsy maintsy hasandratra (hahantona eo amin’ny tsato-kazo) ny Zanak’olona, mba hahazo fiainana mandrakizay izay rehetra mino azy.’ (Jaona 3:14, 15) Nolazainy tsara avy eo fa tena tian’Andriamanitra ny olombelona, ka izany no nahatonga an’Andriamanitra hanao zavatra mba hahazoantsika fiainana mandrakizay. Nohazavain’i Jesosy, tamin’ny farany, fa mila maneho finoana sy mampifaly an’Andriamanitra ny olona raha te hahazo fiainana mandrakizay.—Jaona 3:17-21.

a Ilay teny grika hoe mônôgenes no nadika hoe ‘zanaka tokana.’ “Izy irery ihany, ... tsy misy mitovy aminy, tokana” no dikan’ilay teny hoe mônôgenes.A Greek-English Lexicon of the New Testament and Other Early Christian Literature, p. 658.

b Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.

c Ny Fanjakan’Andriamanitra, izay antsoina koa hoe “ny fanjakan’ny lanitra”, dia fitondram-panjakana iray mitondra avy any an-danitra. (Matio 10:7; Apokalypsy 11:15)I Kristy no notendren’Andriamanitra ho Mpanjakan’io Fanjakana io. Hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44; Matio 6:10) Raha te hahafantatra bebe kokoa momba azy io ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?