Hijery ny anatiny

Andriamanitra ve no Mahatonga Antsika Hijaly?

Andriamanitra ve no Mahatonga Antsika Hijaly?

Valiny ara-baiboly

 Mazava ny valiny omen’ny Baiboly hoe tsia. Tsy fikasan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy ny ijalian’ny olombelona. Nikomy tamin’ny fitondran’Andriamanitra anefa ny mpivady voalohany, ka izy ireo ihany no nifidy an’izay mety sy tsy mety aminy. Tsy niraharaha an’Andriamanitra izy ireo ka nizaka ny vokany.

 Mizaka ny vokatry ny safidin’izy ireo koa isika ankehitriny. Tsy Andriamanitra mihitsy anefa no mahatonga ny olombelona hijaly.

 Hoy ny Baiboly: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (Jakoba 1:13) Mety hijaly ny olon-drehetra, na dia ireo ankasitrahan’Andriamanitra aza.