Hijery ny anatiny

Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

Nahoana i Jesosy no Antsoina hoe Zanak’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Matetika ny Baiboly no miantso an’i Jesosy hoe “Zanak’Andriamanitra.” (Jaona 1:49) Asehon’ilay teny hoe “Zanak’Andriamanitra” fa Andriamanitra no Mpamorona ny zavamananaina rehetra, anisan’izany i Jesosy. (Salamo 36:9; Apokalypsy 4:11) Tsy mampianatra ny Baiboly hoe nanambady sy niteraka hoatran’ny olombelona Andriamanitra.

 Antsoin’ny Baiboly hoe “zanak’Andriamanitra” koa ny anjely. (Joba 1:6) Ankoatra izay, dia milaza ny Baiboly fa “zanak’Andriamanitra” i Adama, ilay lehilahy voalohany. (Lioka 3:38) I Jesosy anefa no noforonin’Andriamanitra voalohany sady noforoniny mivantana, ka izany no mahatonga ny Baiboly hilaza hoe izy no zanaka tian’Andriamanitra indrindra.

 Efa niaina tany an-danitra ve i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy?

 Eny. Fanahy tany an-danitra i Jesosy talohan’ny naha olombelona azy. Izy mihitsy no nilaza hoe: ‘Nidina avy any an-danitra aho.’—Jaona 6:38; 8:23.

 Namorona an’i Jesosy aloha Andriamanitra, izay vao namorona ny zavatra hafa rehetra. Hoy ny Baiboly momba an’i Jesosy:

  •   “Izy ... no lahimatoa amin’ny zavaboary rehetra.”—Kolosianina 1:15.

  •   Izy no “fiandohan’ny zavatra noforonin’Andriamanitra.”—Apokalypsy 3:14.

 Tanteraka tamin’i Jesosy ilay faminaniana hoe “efa hatramin’ny taloha ela be no niandohany, eny, efa hatramin’ny andro fahiny.”—Mika 5:2; Matio 2:4-6.

 Inona no nataon’i Jesosy talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany?

 Nanana toerana ambony tany an-danitra izy. Niresaka momba an’io toerana nananany io i Jesosy rehefa nivavaka hoe: “Ray ô, omeo voninahitra ... aho, dia ilay voninahitra nananako teo anilanao fony mbola tsy nisy izao tontolo izao.”—Jaona 17:5.

 Nanampy ny Rainy tamin’ny famoronana izy. Niara-niasa tamin’Andriamanitra i Jesosy ary “mpiasa tena mahay” izy. (Ohabolana 8:30) Hoy ny Baiboly momba azy: “Izy no nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany.”—Kolosianina 1:16.

 I Jesosy no nampiasain’Andriamanitra mba hamoronana ny zavaboary hafa rehetra, anisan’izany ny anjely sy izao rehetra izao hita maso. (Apokalypsy 5:11) Niara-niasa toy ny mpanao mari-trano sy mpanao trano izy mianaka. Ilay mpanao mari-trano no mamorona ny planina, dia ilay mpanao trano no manatanteraka azy.

 Mpitondra teny izy. Antsoin’ny Baiboly hoe “ny Teny” i Jesosy tamin’izy mbola tsy tetỳ an-tany. (Jaona 1:1) Midika izany fa nampiasain’Andriamanitra izy mba hampita fanazavana sy toromarika tamin’ny anjely hafa.

 Toa i Jesosy koa no nampiasain’Andriamanitra mba hampita hafatra tamin’ny olombelona tetỳ an-tany. Azo inoana hoe nampiasa an’i Jesosy izy rehefa nanome toromarika an’i Adama sy Eva tao amin’ny zaridainan’i Edena. (Genesisy 2:16, 17) Mety ho i Jesosy koa ilay anjely nitarika ny Israelita fahiny mba hamakivaky ny tany efitra, ary ny teniny no nasaina nankatoavin’izy ireo.—Eksodosy 23:20-23. a

a Tsy i Jesosy ihany no anjely nampiasain’Andriamanitra ho mpitondra teniny. Anjely hafa, ohatra, no nasainy nampita ny Lalàny tamin’ny Israelita fahiny fa tsy ilay zanany Lahimatoa.—Asan’ny Apostoly 7:53; Galatianina 3:19; Hebreo 2:2, 3.