Hijery ny anatiny

Miova Hevitra Momba ny Fampidiran-dra ny Dokotera

Miova Hevitra Momba ny Fampidiran-dra ny Dokotera

Nokianina foana ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay noho izy ireo tsy manaiky hampidiran-dra. Mankatò ny toro lalan’ny Baiboly mba ‘hifady ny ra’ izy ireo. (Asan’ny Apostoly 15:29) Miteraka olana eo amin’izy ireo sy ny dokotera anefa izany indraindray, satria mihevitra ny dokotera fa ny fampidiran-dra no fomba fitsaboana tsara indrindra ho an’ny marary.

Mihamaro anefa izao ny mpitsabo ampy traikefa milaza ny antony mahatsara an’ireo teknika fitsaboana tsy ampiasana ra.

Namoaka tatitra manokana momba ny ra ny laharana iray tamin’ny gazety Stanford Medicine Magazine, tamin’ny 2013. Misy ampahany amin’io tatitra io mitondra ny lohateny hoe “Mihabetsaka no Miala Amin’ny Mahazatra ka Tsy Te Hampidiran-dra.” Hoy i Sarah Williams, izay nanoratra an’ilay lahatsoratra: “Nisy fikarohana natao tany amin’ny hopitaly maneran-tany, tato anatin’ny folo taona farany. Hita tamin’izany fa mampiasa ra matetika kokoa sy betsaka kokoa noho ny ilain’ny marary ny mpitsabo, na any amin’ny efitra fandidiana izany na any amin’ny efitra fatorian’ny marary.”

Nitatitra ny tenin’i Patricia Ford, mpanorina sy mpitantana ny Foibe ho An’ny Fitsaboana sy ny Fandidiana Tsy Ampiasana Ra, ao amin’ny Hopitaly Pennsylvania i Sarah Williams. Hoy ny Dr. Ford: “Efa raiki-tampisaka ao an-tsain’ny dokotera ilay hevitra hoe ho faty ny olona raha tsy ampy ny fatran’ny rany, ary ny ra no tena mamonjy aina ... Marina ihany izany indraindray, a nefa ho an’ny ankamaroan’ny marary sy amin’ny ankamaroan’ny toe-javatra, dia tena tsy marina izany.”

Vavolombelon’i Jehovah 700 eo ho eo no tsaboin’ny Dr. Ford, isan-taona. Hoy ihany izy: ‘Maro tamin’ireo dokotera niresaka tamiko no nanana hevi-diso hoe tsy ho avotra mihitsy ny marary raha tsy ampidiran-dra. Na izaho aza efa mba nieritreritra hoatr’izany ihany. Vetivety anefa dia hitako hoe afaka mitsabo tsara an’ireny marary ireny ianao raha mampiasa teknika tsotra vitsivitsy fotsiny.’

Nisy fikarohana natao nandritra ny 28 taona tamin’ireo marary nodidiana fo, tao amin’ny hopitaly iray. Namoaka ny valin’izany ny gazety Archives of Internal Medicine tamin’ny Aogositra 2012. Hita fa mora sitrana kokoa noho ny marary hafa ny Vavolombelon’i Jehovah. Kely kokoa ny zava-manahirana hitan’izy ireo mandritra ny fitsaboana ary azo antenaina kokoa ny ahavelomany aorian’ny fandidiana. Samy mbola mety ho velona koa na izy ireo na ireo marary nampidiran-dra, 20 taona aorian’izay.

Hoy ny lahatsoratra iray ao amin’ilay gazety hoe The Wall Street Journal, nivoaka tamin’ny 8 Aprily 2013: ‘Efa an-taonany maro no nanaovana fandidiana tsy ampiasana ra tamin’ireo marary tsy manaiky hampidiran-dra noho ny fivavahany. Mihabetsaka izao ny hopitaly manao an’izany. Milaza ireo mpandidy izay manohana ny fandidiana tsy ampiasana ra fa mampihena ny vola lanin’ny hopitaly mba hividianana ra, hitehirizana sy hikarakarana azy, ary hanaovana fitiliana sy hampidirana azy amin’ny marary io teknika io. Ankoatra an’izany dia tsy atahorana kokoa ho voan’ny aretina sy olana hafa vokatry ny fampidiran-dra ilay marary tsy nampidiran-dra, ka tsy voatery mijanona ela kokoa any amin’ny hopitaly.’

Tsy mahagaga raha niteny toy izao i Robert Lorenz, lehiben’ny sampan-draharaha miandraikitra ny ra ao amin’ny hopitaly iray any Cleveland, Etazonia: “Mieritreritra avy hatrany ianao hoe manampy an’ilay marary rehefa mampiditra ra aminy ... Ny mifanohitra amin’izany anefa no izy rehefa jerena ny vokany atỳ aoriana.”

a Raha te hahafantatra ny hevitry ny Vavolombelon’i Jehovah momba ny ra ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Fanontaniana Fametraky ny Olona: Nahoana Ianareo no Tsy Manaiky Hampidiran-dra?