Hijery ny anatiny

HO AN’NY FIANAKAVIANA | TOKANTRANO

Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Mampiasa Fitaovana Elektronika

Mahaiza Mandanjalanja Rehefa Mampiasa Fitaovana Elektronika

 Mety hahasoa nefa mety handrava ny tokantranonao ny fitaovana elektronika. Misy vokany ao an-tokantranonao ve izy ireny?

 Tsara ho fantatrao

  •   Mety hahasoa ny mpivady ny fitaovana elektronika, raha ampiasain-dry zareo amin’ny fomba tsara. Ny mpivady sasany izao rehefa tsy tafaraka mandritra ny andro, dia mampiasa fitaovana elektronika amin’izay afaka mifandray.

     “Na dia SMS kely hoatran’ny hoe ‘tiako ianao’ na hoe ‘malahelo anao aho’, dia efa tena zava-dehibe.”—Jonathan.

  •   Mety hanimba tokantrano ny fitaovana elektronika, raha tsy mahay mandanjalanja ny mpivady rehefa mampiasa azy. Variana amin’ny tablette na ny telefaoniny ny olona sasany, dia lasa hadinony ny vadiny sady mihena ny fotoana tokony hiarahany aminy.

     “Fantatro hoe matetika ny vadiko no te hiresaka tamiko, fa izaho nefa variana tamin’ny telefaonina.”—Julissa.

  •   Misy olona sasany mieritreritra hoe mbola afaka miresaka tsara amin’ny vadiny ihany izy na dia mampiasa tablette sy telefaonina aza. Hoy i Sherry Turkle, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina: “Tsy afaka manao zavatra maromaro indray miaraka ny olona.” Na dia mihevitra aza izany ny olona hoe azo atao tsara ny manao zavatra indray miaraka, dia tsy ho vitany mihitsy izany. Hoy ihany i Sherry Turkle: “Raha miezaka manao zavatra maromaro indray miaraka isika, dia misy tsy ho vitantsika tsara ny zavatra ataontsika.” a

     “Mahafinaritra an’ahy ny miresaka amin’ny vadiko rehefa tsy manao zavatra hafa izy. Raha sady variana manao zavatra anefa izy no miresaka amiko, dia hoatran’ny hoe tsy mampaninona azy na eo aho na tsy eo.”—Sarah.

 Tadidio izao: Mety hahasoa na hanimba ny tokantranonao ny fitaovana elektronika, arakaraka izay fomba ampiasanao azy.

 Ny azonao atao

 Jereo hoe inona no zava-dehibe kokoa. Hoy ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’ (Filipianina 1:10) Eritrereto hoe: ‘Laninay mivady amin’ny tablette sy telefaonina ve ny fotoana tokony mba hiarahanay?’

 “Mampalahelo fa misy mpivady rehefa misakafo any amin’ny hotely, dia tsy mba mifampiresaka fa ilaozan-dry zareo milalao telefaonina. Mahavariana hoe olona anankiroa ry zareo no miaraka eo nefa dia samy variana amin’ny tablette na telefaonina. Tsy tokony hanaiky handevozin’ny fitaovana elektronika isika, dia lasa hadino hoe inona no zava-dehibe kokoa, anisan’izany ny fotoana tokony hiarahana amin’ny vady.”—Matthew.

 Tonga dia fero ny fotoana holaninao amin’ilay izy. Milaza ny Baiboly hoe: “Mitandrema tsara hatrany mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty tsara ny fotoana.” (Efesianina 5:15, 16) Saintsaino hoe: ‘Azoko ferana ve ny fotoana hijereko sy hamaliako an’izay hafatra tsy tena maika, dia amin’izay aho tsy voatery hijery an’izay hafatra rehetra tonga eo?’

 “Tsy asiako feony ny telefaoniko, dia rehefa malalaka aho vao mamaly an’izay hafatra tonga eo. Izay no hitako hoe tena mety. Indraindray ihany mantsy vao misy antso na SMS na e-mail maika be, dia mila valiana haingana.”—Jonathan.

 Raha azo atao dia aza mieritreritra asa intsony rehefa ao an-trano. Hoy ny Baiboly: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.” (Mpitoriteny 3:1) Eritrereto àry ireto: ‘Mbola miasa ao amin’ny telefaoniko foana ve aho rehefa ao an-trano, dia lasa voahelingelina ny fotoana iarahako amin’ny fianakaviako? Inona no vokatr’ilay izy aminay mivady? Dia ahoana hoy ny vadiko?’

 “Amin’izao teknolojia mandroso be izao, dia lasa afaka miasa foana ianao na amin’ny firy na amin’ny firy. Rehefa tafaraka anefa izahay mivady, dia tsy maintsy miezaka be aho mba tsy hijerijery telefaonina matetika na hanao zavatra mifandray amin’ny asa.”—Matthew.

 Diniho miaraka amin’ny vadinao hoe ahoana no atao. Hoy ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1 Korintianina 10:24) Mifampiresaha ianareo mivady, dia diniho hoe ahoana avy no ataonareo rehefa mampiasa fitaovana elektronika, ary inona avy ny zavatra mila ovanareo, raha ohatra ka misy. Afaka mampiasa an’ilay hoe “Azo iarahana midinika” ato amin’ity lahatsoratra ity ianareo, raha tianareo.

 “Tsy mifampihafahafa mihitsy izahay mivady, fa raha vao variana loatra amin’ny tablette na telefaonina, ohatra, ny iray aminay, dia tonga dia miteny ny iray. Fantatray tsinona hoe mety hampisy olana izany, dia samy zava-dehibe aminay ny hevitray roa amin’ilay izy.”—Danielle.

 Tadidio izao: Tokony ho ianao no mifehy ny fitaovana elektronika fatsy ianao indray no andevoziny.

a Nalaina tao amin’ilay boky hoe Andao Hifampiresaka Hoatran’ny Taloha Indray—Tena Zava-dehibe ny Mifampiresaka na dia Mandroso Be aza ny Teknolojia (anglisy).