Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana Raha Tsy Avelan’i Dada sy Neny Mampiasa Tambazotran-tserasera Aho?

Ahoana Raha Tsy Avelan’i Dada sy Neny Mampiasa Tambazotran-tserasera Aho?

 Mampiasa tambazotran-tserasera daholo angamba ny namanao, dia miresaka momba an’izany foana ry zareo. Mety hoe esoesoiny mihitsy ianao satria ianao tsy manana kaonty. Inona no tsara ho fantatrao momba an’io toe-javatra io? Ary inona no azonao atao momba an’ilay izy?

Tsara ho fantatrao

 Tsy ianao irery no tsy mampiasa tambazotran-tserasera. Be dia be ny ray aman-dreny tsy mamela ny zanany hampiasa tambazotran-tserasera. Mety fantatry ry zareo mantsy hoe mety hiteraka an’ireto zavatra manaraka ireto ny fampiasana an’izany:

  •   Dépression sy karazana aretin-tsaina hafa;

  •   fijerena sary sy video mamoafady, fandefasana hafatra vetaveta, ary fampijaliana amin’ny alalan’ny Internet;

  •   olana tsy tokony hisy akory eo amin’ny mpinamana.

 Be dia be ny tanora nanapa-kevitra hoe tsy hampiasa tambazotran-tserasera intsony. Tonga saina ireny tanora ireny hoe be dia be noho ny soa raisiny ny voka-dratsin’ny fampiasana tambazotran-tserasera amin-dry zareo. Diniho ireto ohatra tena nisy ireto:

  •   Hitan’i Priscilla hoe tokony ho nahavitany zavatra mahasoa kokoa ny fotoana laniny tamin’ny tambazotran-tserasera.

  •   Tsy tian’i Jeremy ilay hoe tsy azony fehezina izay zavatra mipoitra eo amin’ny fitaovany rehefa mampiasa tambazotran-tserasera izy.

  •   I Bethany indray tonga saina hoe lasa mahatonga azy hifantoka be loatra amin’izay ataon’ny olona ny fampiasana tambazotran-tserasera.

 “Nanapa-kevitra aho hoe aleo hofafako ao amin’ny fitaovako ilay tambazotran-tserasera. Tena faly aho hoe nofafako ilay izy. Tsy nalahelo an’ilay izy mihitsy aho, fa faly aza aho hoe lasa nanana fotoana malalaka hifantohana amin’ny zavatra lehibe kokoa.”​—Sierra.

 “Ny zavatra tsy tiako amin’ny tambazotran-tserasera dia ilay izaho lasa miankin-doha amin’ilay izy sady miasa saina be hoe inona no hoeritreretin’ny olona momba ny zavatra avoakako ao. Tsy mora tamiko ilay hoe hamafa ny kaontiko, nefa vao voafafa ilay izy dia tonga aho dia hoatran’ireny olona afaka ireny. Milamin-tsaina kokoa aho izao tsy manao an’ilay izy intsony.”​—Kate.

Inona no azonao atao?

 Araho ny fitsipika apetraky ny ray aman-dreninao. Aza tezitra na be taraina, fa araho izay fitsipika apetraky ry zareo. Ho hitan-dry zareo amin’izay hoe matotra ianao.

 Torolalan’ny Baiboly: “Avoakan’ny adala daholo ny hatezerany, fa mahatsindry fo kosa ny hendry.”​—Ohabolana 29:11.

 Mety hisy olona hampirisika anao hampiasa tambazotran-tserasera ihany, na dia efa tsy mamela anao hanao an’izany aza ny ray aman-dreninao. Mety hasainy hanokatra kaonty miafina koa ianao. Aleo anefa tsy manao an’izany! Raha manafinafin-javatra mantsy ianao, dia ho mahamahana eny foana sady henjehin’ny eritreritrao. Ho ratsy koa ny vokany raha tratra ianao, sady tsy hatoky anao intsony ny ray aman-dreninao.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.”​—Hebreo 13:18.

 Ataovy izay hahatonga an’ilay izy ho lasa fanapahan-kevitrao koa. Nahita antony be dia be tsy hampiasana tambazotran-tserasera ireo tanora voaresaka tetsy ambony. Afaka mieritreritra antony hoatr’izany koa ianao, dia amin’izay ianao mihitsy no hahita hoe tsy mahasoa anao ny mampiasa tambazotran-tserasera. Ianao mihitsy koa amin’izay no hanapa-kevitra tsy hampiasa, fa tsy hoe ny ray aman-dreninao fotsiny no tsy mamela anao. Raha lasa fanapahan-kevitrao mihitsy ilay izy, dia tsy hatahotahotra ianao rehefa misy namanao manontany hoe maninona ianao no tsy manana kaonty. Tsy hanesoeso anao koa ry zareo amin’izay.

 Tadidio àry izao: Araho ny fitsipiky ny ray aman-dreninao, dia ataovy izay hahatonga an’ilay izy ho lasa fanapahan-kevitrao koa. Tsy maty ianao raha tsy mampiasa tambazotran-tserasera aloha amin’izao.