Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TRANONKALA JW.ORG

Fanontaniana Fametraky ny Olona: JW.ORG

Fanontaniana Fametraky ny Olona: JW.ORG

Mety amin’ny Android, iOS, Mac, ary Windows ny ankamaroan’ny programa fijerena Internet nivoaka farany, ohatra hoe Chrome, Edge, Firefox ary Safari. Mety amin’ny Android 5.1 sy izay nivoaka taorian’izay koa ny ankamaroan’ny programa fijerena Internet.

Mba hahatonga ny tranonkala jw.org ho azo antoka sy handeha tsara foana, dia tsy handeha amin’ny systèmes d’exploitation sy programa fijerena Internet efa tranainy intsony ilay izy. Tsy mahazaka azy intsony, ohatra, ny Internet Explorer. Tsy maintsy hatsaraina tsindraindray ny zavatra takin’ilay tranonkala. Raha mahita olana ianao rehefa mampiasa an’ilay tranonkala dia andramo ampidirina ny fanavaozana farany amin’ilay programa fijerena Internet ampiasainao. Ampiakaro amin’izay version farany koa ny système d’exploitation ampiasain’ny fitaovanao. Programa fijerena Internet nivoaka farany no ampiasao raha tsy mety ilay efa ao amin’ny fitaovanao.

 

Be dia be ny fomba azo anaovana an’izany, anisan’izany ireto:

  • Alaivo ilay programa JW Broadcasting izay azo jerena amin’ny Amazon Fire TV, Apple TV (4th generation), ary Roku.

  • Mety ho afaka hanokatra jw.org sy handefa video ianao raha misy programa fijerena Internet ny tele ampiasainao. Tsy ny karazana tele rehetra hoatr’izany anefa no mahazaka jw.org ka mety tsy handeha amin’ny karazana tele sasany ny video ao.

Afaka mampiasa ordinatera na fitaovana entin-tanana koa ianao mba hijerena video amin’ny tele. Afaka mijery video mivantana ao amin’ny jw.org ianao na mijery video efa nalainao ao amin’ny fitaovanao.

  • Raha manana Apple TV sy ordinatera na fitaovana entin-tanana novokarin’ny Apple ianao, dia azonao atao ny mampiasa AirPlay mba hijerena video amin’ny tele. Tsidiho ny pejin’ny Apple raha mila fanazavana fanampiny.

  • Afaka mandefa video amin’ny tele amin’ny alalan’ny Chrome ianao, raha manana Google Chromecast. Tsidiho ny pejin’ny Google raha mila fanazavana fanampiny.

  • Azonao atao ny mampifandray ny tele amin’ny ordinatera, tablette, na telefaonina amin’ny alalan’ny HDMI, DVI, VGA, na S-Video. Jereo ny boky manazava ny fampiasana an’ilay tele sy ilay ordinatera na fitaovana entin-tanana rehefa hitady ny fomba mety indrindra hanaovana an’izany ianao.

 

Mety ho afaka hanampy anao ny namanao efa zatra mampiasa jw.org. Raha tsy izany dia mifandraisa amin’ny biraon’ny sampanay akaiky anao indrindra.