Hijery ny anatiny

Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo

Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo

ZAVA-DEHIBE: MATOA IANAO MAMPIASA AN’ITY TRANONKALANAY ITY SY NY PROGRAMA REHETRA VOKARIN’NY WATCHTOWER BIBLE AND TRACT SOCIETY OF NEW YORK, INC. SY/NA MANDEFA FANAZAVANA MOMBA NY OLONA IRAY DIA EKENAO HOE AZONAY KARAKARAINA MIFANARAKA AMIN’IZAY VOALAZA AMIN’NY FIFANEKENA MOMBA NY TSIAMBARATELO ATO SY MIFANARAKA AMIN’NY LALÀNA MOMBA NY FANAZAVANA MAHAKASIKA OLONA MANOKANA NY FANAZAVANA OMENAO MOMBA NY OLONA IRAY.

Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo

Jereo Koa

 FANAJANA NY TSIAMBARATELONAO

Hiaro sy hanaja ny tsiambaratelonao izahay. Hazavaina ato amin’ity Fifanekena ity ny fomba hikarakaran’ny tranonkalanay sy ny programa rehetra vokarin’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. (“Watchtower”) ny fanazavana momba anao, izay alainay aminao na alefanao aminay. Rehefa mitsidika ny tranonkalanay ianao, dia misy fanazavana sasany tazoninay. Ekenay hoe tena tokony hatao azo antoka ny fitehirizana an’izany fanazavana izany, ary tokony hampahafantarinay anao izay hampiasanay azy. Mety homenao anay ny mombamomba anao. Rehefa misy hoe “mombamomba anao” na “momba anao” ato amin’ity Fifanekena ity dia tafiditra amin’izay ny anaranao, adiresinao na adiresy e-mail ampiasainao, nomeraon-telefaoninao, na fanazavana hafa amantarana anao. Tafiditra amin’ilay hoe “tranonkala” ity tranonkala ity sy ny tranonkala namany hafa, toy ny apps.ps8318.com, ba.ps8318.com, stream.ps8318.com, ary ny wol.ps8318.com.

 MOMBAMOMBA NY MPIKARAKARA FANAZAVANA

An’ny Watchtower ity tranonkala ity sy ny programa rehetra miaraka aminy. Any New York io fikambanana io, ary tsy natao hitadiavam-bola fa manohana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny asa fampianarana Baiboly ataon’izy ireo. Manaiky an’izay voalazan’ity Fifanekena ity ianao rehefa manapa-kevitra ny hanokatra kaonty ato, hanao fanomezana, hangataka hotsidihina, na manao zavatra hafa mahatonga anao hanome ny mombamomba anao. Ekenao koa hoe tehirizina any amin’ny serveurs any Etazonia izany, ary ny Watchtower sy ny fikambanana namany izay manohana ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny firenena samihafa no maka sy mikarakara ary mamindra an’ilay fanazavana, arakaraka izay nangatahinao. Miasa maneran-tany io fikambanana ara-pivavahana io amin’ny alalan’ny fikambanana any amin’ny tany samihafa, ohatra hoe fiangonana, biraon’ny sampana, na fikambanana hafa an’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hiarovana ny fanazavana voarainy.

Miovaova arakarak’izay ataonao ao amin’ilay tranonkala ny mpikarakara ny fanazavana alefanao. Raha manao fanomezana ho an’ny fikambanana ao amin’ny firenena iray, ohatra, ianao dia ho voarain’ilay fikambanana ny anaranao sy ny mombamomba anao. Intỳ koa misy ohatra hafa: Raha mangataka hianatra Baiboly ianao, dia ho voarain’ny biraon’ny sampana eo an-toerana sy ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah hikarakara ny fangatahanao ny anaranao sy ny fomba hifandraisana aminao.

Mety hisy lalàna hifehy ny fiarovana ny fanazavana omena toy izany ao amin’ny tany misy anao. Mba hanampiana anao, dia azonao jerena ao amin’ilay hoe Adiresy Momba ny Fiarovana Fanazavana izay adiresy azonao anoratana mba hanontaniana momba ny lalàna any aminareo.

 FIAROVANA NY FANAZAVANA

Tsy ataonay ambanin-javatra mihitsy ny fiarovana ny mombamomba anao. Mampiasa fomba fitehirizana fanazavana sy teknika fiarovana manara-penitra izahay mba tsy hitrangan’ireto: Hitan’ny olona tsy nahazo alalana ny mombamomba anao, misy mampiasa amin’ny fomba ratsy ilay izy, misy mizara amin’olon-kafa, misy manova, misy mamafa amin’ny fomba tsy ara-dalàna, na very tsy nahy. Izay mpikarakara ny mombamomba anao sy izay olon-kafa asainay mikarakara an’izany dia tsy maintsy manaja ny hoe tsiambaratelo ny mombamomba anao. Tehirizinay ny mombamomba anao mandritra ny fotoana ilaina mba hahavitana an’ilay antony nakana azy, na arakarak’izay takin’ny lalàna mety hihatra, na arakarak’izay takin’ilay programa mpitahiry azy.

Mampiasa ny Transport Layer Security (TLS) izahay mba hanafenana ny mombamomba anao mandritra ny famindrana azy. Sarotra idirana ny ordinatera ampiasainay, ary mipetraka amin’ny toerana tsara ambina sy azo antoka hoe misy herinaratra mandeha tsara foana. Manaraka tsara ny tari-dalana apetrakay koa ny olona mampiasa azy ireo. Ny hiaro ny tsiambaratelo sy ny fanazavana ampitaina aminay no tanjonay. Manaraka fepetra hentitra izahay mba tsy hahitan’ny olona tsy nahazo alalana an’ireny fanazavana ireny.

 ANKIZY TSY AMPY TAONA

Raha tsy ampy taona ianao ao amin’ny firenena idiranao amin’ny tranonkalanay, dia tsy maintsy miaraka aminao eo ny rainao na ny reninao na ny mpitaiza anao rehefa hampiditra ny mombamomba anao ianao. Raha ray na reny na mpitaiza ianao ary manome alalana ankizy tsy ampy taona hampiditra ny mombamomba azy ao amin’ilay tranonkala, dia tsy maintsy ekenao fa mihatra amin’ny fampiasan’ilay ankizy an’ilay tranonkala ity Fifanekena ity.

 TRANONKALA MPIARA-MIASA AMINAY

Mampiasa rohy mankany amin’ny tranonkala hafa mpiara-miasa aminay izahay, indraindray, mba hanaovana zavatra ho anao (ohatra hoe rehefa hameno fanazavana ao amin’ny tranonkalanay na amin’ny programa hafa rehetra miaraka aminy ianao). Tonga dia fantatrao hoe any amin’ny tranonkala hafa ianao satria hiova be ny endrik’ilay pejy, ary hiova koa ny adiresiny. Mety haharay e-mail na hafatra avy any amin’ny tranonkala mpiara-miasa aminay koa ianao, arakaraka ny fanazavana nangatahinao tato amin’ity tranonkala ity, anisan’izany ny fangatahanao hoe handefasana fampahafantarana ianao. Rehefa voafidy ny tranonkala hafa hiara-miasa aminay, dia arahi-maso ny fifanekena momba ny tsiambaratelo sy ny fiarovana fanazavana ampiasain’izy ireo mba hitovy amin’ny anay. Misy programa na tolotra omen’ireny tranonkala ireny anefa ary tsy miankina aminay ny fomba fiasany, ny fifanekena momba ny fampiasana azy sy momba ny tsiambaratelo, ary ny fifanarahana amin’ny ankapobeny. Rehefa mampiasa an’ireny programa na tolotra ireny àry ianao, dia izay fifanekena na fifanarahana apetrak’ilay tranonkala no hihatra aminao. Tsy mahazo fanavaozana momba an’izany izahay ka ampirisihinay ianao mba hamaky ny fifanekena ampiasain’izy ireo, alohan’ny hampiasanao an’ilay tolotra. Vakio koa ny toromarika mahakasika ny fomba fiasan’izy ireo raha misy tianao ho fantatra.

Hihatra aminao ny Google Privacy Policy, izany hoe ny fifanekena momba ny tsiambaratelo an’ny Google, rehefa mampiasa ny Google Maps ianao ato amin’ity tranonkala ity. Tranonkala mpiara-miasa aminay ny Google nefa tsy miankina aminay ny programa ampiasainy sy ny fomba fiasany ary ny Terms of Service, na fifanekena momba ny fampiasana azy. Hihatra aminao àry ny Google Maps/Google Earth Additional Terms of Service, izany hoe ny fifanekena fanampiny momba ny fampiasana ny Google Maps sy Google Earth, raha mampiasa Google Maps ianao ato amin’ity tranonkala ity. Tsy mahazo fanavaozana momba an’izany izahay ka ampirisihinay ianao mba hamaky an’ireo fifanekena ampiasain’ny Google ireo, alohan’ny hampiasanao ny Google Maps. Aza mampiasa Google Maps raha tsy ekenao ireo fifanekena ireo.

 FILAZANA MOMBA NY FIOVAN’ITY FIFANEKENA ITY

Hatsarainay sy hampianay foana ny fomba fiasan’ity tranonkala ity sy ny programa rehetra miaraka aminy ary ny zavatra ho hita ao anatiny. Miova koa ny lalàna sy ny teknolojia ka hiova tsindraindray ny fomba hikarakaranay ny fanazavana omen’olona. Rehefa hita hoe mila ovana ity Fifanekena ity, dia hapetrakay ato amin’ity pejy ity izany mba ho fantatrao foana izay karazana fanazavana halainay sy ny fomba hampiasanay azy.

 SCRIPT NA JAVASCRIPT

Mampiasa script ity tranonkala ity sy ny programa rehetra miaraka aminy mba hanatsarana ny fomba fiasany sy mba hanampiana anao hahazo fanazavana haingana kokoa, fa tsy hoe mba hametrahana programa ao amin’ny ordinateranao, na hakana fanazavana tsy nahazoana alalana avy taminao.

Tsy maintsy mandeha ny script na ny JavaScript ao amin’ny programa ijerenao an’ity tranonkala ity, vao handeha tsara ao amin’ny ordinateranao ny zavatra sasany ato. Mamela anao hampandeha na tsy hampandeha script sy JavaScript ny ankamaroan’ny programa fijerena Internet, rehefa mitsidika tranonkala sasany ianao. Jereo ny toromarika momba ny fampiasana an’ilay programa, raha tianao ho fantatra hoe ahoana no atao mba hampandeha ny script ao amin’ny tranonkala idiranao.