Hijery ny anatiny

Orana nivatravatra, nampisy tondra-drano sady nandravarava zavatra be dia be tany Kwazulu-Natal, any amin’ny faritanin’i Afrika Atsimo

25 APRILY 2022
AFRIKA ATSIMO

Orana Nivatravatra sy Tany Nihotsaka Nandravarava An’i Afrika Atsimo

Orana Nivatravatra sy Tany Nihotsaka Nandravarava An’i Afrika Atsimo

Nisy orana nivatravatra tany amin’ny faritr’i Kwazulu-Natal, faritanin’i Afrika Atsimo, tamin’ny 13 Aprily 2022, ary be dia be ny olona maty sy trano rava. Ny tany amin’ny faritra sasany aza niakatra hatrany amin’ny 300 milimetatra ny haavon’ny rano, tao anatin’ny iray andro monja. Tapaka ny jiro sy rano tany amin’ny faritra maro. Be dia be koa ny lalana potika tanteraka.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy maty ny rahalahy sy anabavintsika

  • Naratra kely ny zanaky ny anabavy iray satria nianjeran’ny rindrina

  • Naratra kely ny rahalahy iray rehefa nirodana ny tranony

  • Nisy 27 ny trano rava

  • Nisy 102 ny trano simba

  • Nisy 87 ny mpitory nafindra toerana

  • Nisy 2 ny Efitrano Fanjakana simba

Fanampiana tra-boina

  • Natsangana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky mba handamina fanampiana

  • Nanome fanampiana an’izay mpitory sahirana ny anti-panahin’ny fiangonana sy ny mpiandraikitra ny faritra

  • Nanaraka tsara ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 daholo izay nandray anjara nanome fanampiana

Matoky isika fa hanampy an’ireo mpiara-manompo amintsika namoy fananana ireo i Jehovah mandra-piandrintsika ny fitahiana mandrakizay nampanantenainy antsika.​—2 Korintianina 4:18.