Hijery ny anatiny

11 DESAMBRA 2019
ALBANIA

Navoaka Amin’ny Teny Albaney ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Navoaka Amin’ny Teny Albaney ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao Nohavaozina

Navoakan’ny Rahalahy Mark Sanderson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao nohavaozina amin’ny teny albaney, tamin’ny 8 Desambra 2019. a Tamin’ny fivoriana manokana natao tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahan-tena Asllan Rusi any Tirana, any Albania, no navoaka ilay Baiboly vaovao.

Misy 7600000 eo ho eo ny olona miteny albaney maneran-tany, ary tombanana ho 2900000 ny mponina any Albania. Misy antoko-mpitory sy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah miteny albaney any Alemaina, Angletera, Aotrisy, Belzika, Etazonia, Frantsa, Gresy, Italia, Kanada, Macédoine Avaratra, Soeda, Soisa, ary Torkia. Handray soa avy amin’io Baiboly albaney nohavaozina io ireo mpitory 5800 mahery ao amin’ny faritra iandraiketan’ny sampan’i Albania sy ireo mpitory miteny albaney any an-tany hafa.

Misy fanazavana fanampiny, fanamarihana ambany pejy, fanazavana teny, ary sarintany ao amin’io Baiboly nohavaozina io. Miara-paly amin’ny rahalahy sy anabavy albaney isika satria manana ny Tenin’i Jehovah amin’ny fiteny maoderina sy tsotra ary mazava izy ireo izao.—Matio 13:16.

a Efa navoaka tamin’ny 2005 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao manontolo amin’ny teny albaney.