Hijery ny anatiny

Ambony: Rahalahy sy anabavy any Vlorë, any Albania, tamin’ny 1930. Ambony ankavanana: Bokikely amin’ny teny albaney, navoakantsika hatramin’izay, natao fampirantiana. Ambany ankavanana: I David Splane anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, namoaka Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra hoe “Mankatoava An’Andriamanitra” tamin’ny 2005

7 JANOARY 2022
ALBANIA

Zato Taona Izay ny Nitoriana ny Vaovao Tsara Tany Albania, na dia Voarara Nandritra ny Taona Maro aza Izany Tany

Zato Taona Izay ny Nitoriana ny Vaovao Tsara Tany Albania, na dia Voarara Nandritra ny Taona Maro aza Izany Tany

Zato taona amin’ity 2022 ity no nisian’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Albania.

I Nasho Idrizi no anisan’ny olona nanaiky ny fahamarinana voalohany tany Albania. Tamin’izy nipetraka tany Etazonia, tamin’ny taona 1920 mahery tany ho any, no nianatra Baiboly tamin’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena. Izany no fiantsoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany.

Nody tany Albania i Nasho tamin’ny 1922. Nisy Albanianina hafa koa efa lasa Mpianatra ny Baiboly tamin’izany, tamin’izy ireo nipetraka tany Etazonia. Nody tany Albania koa ry zareo, tatỳ aoriana, mba hizara ny zavatra nianarany.

Thanas Duli

Anisan’ny Mpianatra ny Baiboly voalohandohany tany Albania koa i Thanas Duli. Hoy izy: “Telo ny fiangonana tany Albania tamin’ny 1925, dia nisy Mpianatra ny Baiboly sy olona liana maromaro koa eran’i Albania.”

Nisy boky maromaro nadika tamin’ny teny albaney, tamin’ireny fotoana ireny. Anisan’izany ilay hoe Ny Harpan’Andriamanitra (frantsay) sy ilay hoe Fitondram-panjakana Irin’ny Olona (frantsay). Izao no lazain’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1925: “Be dia be [ny boky amin’ny teny albaney] noraisin’ny olona, ary mahafaly ny olona erỳ ny mianatra ny fahamarinana.”

Argjiro sy Nasho Dori

Lasa nantsoin’ny olona hoe ungjillorë, izay midika hoe “mpitory ny vaovao tsara” ny Vavolombelon’i Jehovah, satria mazoto mitory. Hoy i Nasho Dori, vita batisa tamin’ny 1930: “Nisy maromaro izahay no nanofa bisy, dia nandeha nitory tany Këlcyrë, tamin’ny 1935. Dia avy eo izahay taorianan’izay nitety an’i Albania, ka nitsidika tany Përmet, Leskovik, Ersekë, Korçë, Pogradec, ary Elbasan. Tany Tirana no namarananay an’ilay fitoriana, ary vitanay ara-potoana tsara dia afaka nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izahay.”

Lasa nofehezin’i Italia i Albania tamin’ny 1939. Fitondrana jadona fasista i Italia tamin’izany ka voarara ny Vavolombelon’i Jehovah. Lasa olana be ny hoe tsy momba ny atsy na ny aroa, satria tsy nanaiky nitana basy ny rahalahintsika nandritra an’ilay adin’i Italia sy Gresy. a Rahalahy 15 no nigadra nandritra an’ireny fotoana ireny. Nalefa tany amin’ny toby fitanana ny Rahalahy Nikodhim Shyti, dia tsy nahare vaovao momba azy intsony izahay tatỳ aoriana.

Ny Kominista indray no nifehy an’i Albania tamin’ny 1944, rehefa hifarana ny Ady Lehibe II. Nitohy ihany ny fanenjehana. Be dia be ny rahalahintsika nogadraina sy nampijalijalina. Ny sasany indray nalefa tany amin’ny toby fiasana an-terivozona, lavitra be ny vady aman-janany. Tsy nifandray tamin’ny tany hafa mihitsy i Albania tamin’ireny taona ireny. Hoy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1959: “Afaka manasaraka an’ireo rahalahy albaney amin’ny fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao ny mpitondra eo an-toerana, fa tsy afaka manakana ny fiasan’ny fanahy masin’Andriamanitra.” Tamin’ny 1967, dia i Albania no fanjakana voalohany nanambara fa tsy mino an’Andriamanitra. Mbola nanohy nanaraka ny finoany ihany ny Vavolombelon’i Jehovah sisa tany, saingy nitandrina tsara fotsiny.

Rava ny Kominista, tatỳ aoriana, ka nekena ho ara-dalàna indray ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 22 Mey 1992, izany hoe 50 taona taorian’ilay fandrarana.

Efa 5 550 izao ny Vavolombelon’i Jehovah any Albania, ary misy fiangonana 89 any. Miara-paly amin’ny rahalahintsika any isika satria ‘noho ny herin’i Jehovah, dia mbola niely be foana ny teniny sady vao mainka nisy heriny be tamin’ny olona’, na dia nisy fanenjehana nahery vaika aza.​—Asan’ny Apostoly 19:20.

a Nanomboka tamin’ny 28 Oktobra 1940 ka hatramin’ny 23 Aprily 1941 ilay adin’i Gresy sy Italia. Io ady io no nanombohan’ny Ady Lehibe II tany amin’iny faritra balkanika iny.