Hijery ny anatiny

25 JONA 2019
ALEMAINA

Berlin, Alemaina: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

Berlin, Alemaina: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 14-16 Jona 2019

  • Toerana: Kianja Olympika any Berlin, any Alemaina

  • Fiteny: Alemà, anglisy, rosianina

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 37115

  • Tontalin’ny natao batisa: 255

  • Solontena avy any ivelany: 5000

  • Sampana nasaina: Brezila, Ekoatera, Etazonia, Failandy, Grande-Bretagne, Gresy, Kanada, Polonina, Skandinavia, Slovenia

  • Fitantarana: Anisan’ny notsidihin’ny solontena avy any ivelany ilay tranombakoka malaza atao hoe Tranombakoka Pergamon. Hoy ny mpiambina iray tao rehefa nandinika azy ireo nitsidika: “Betsaka ny olona kivy satria tsy manana finoana. Ianareo anefa hita be hoe tena manana finoana sy mifankatia.” Hoy koa ny mpiambina hafa: “Mandeha be ny fotoana rehefa ianareo no mitsidika, dia tsy mampaninona ahy ny hanao asa fanampiny ho anareo.”

 

Rahalahy sy anabavy miarahaba tonga soa an’ireo vahiny eny amin’ny seranam-piaramanidina

Rahalahy sy anabavy eo ivelan’ilay toerana anaovana fivoriambe

Vahiny miara-maka sary ary manao akanjo mampiavaka ny taniny ny sasany aminy

Manao ny lahateny famaranana ny asabotsy ny Rahalahy Samuel Herd, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana

Mihaino lahateny amin’ny teny anglisy ny vahiny ary mandray naoty. Mampiasa fitaovana fihainoana ny anabavy roa satria mihaino an’ilay lahateny amin’ny fiteny hafa

Rahalahy sy anabavy mijery batisa, ny asabotsy

Manofahofa tanana ny mpanompo manontolo andro manokana avy any an-tany hafa, amin’ny faran’ny fandaharana ny alahady

Ny Kianja Olympika any Berlin, ny andro voalohany amin’ilay fivoriambe. Tamin’ny 1936 no vita io kianja io. Efa nampiasaina tamin’ilay fivoriambe iraisam-pirenena manan-tantara tamin’ny 1990 izy io, taorian’ny nianjeran’ny Rindrin’i Berlin

Vahiny manao fampirantiana eo akaikin’ilay toerana malaza atao hoe Vavahadin’i Brandebourg, any Berlin

Vahiny mipetrapetraka eo amin’ny Colonnade Courtyard, eo akaikin’ny Tranombakoka Pergamon

Mitehaka ny mpanatrika amin’ny faran’ny korana takariva