Hijery ny anatiny

ARMENIA

Topy Maso An’i Armenia

Topy Maso An’i Armenia

Malalaka tsara izao ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny Repoblikan’i Armenia rehefa manaraka ny fivavahany, sady tsy misy olana lehibe rehefa manao ny asa mifandray amin’ny fivavahany izy ireo. Nekena ho ara-dalàna ny fivavahan’izy ireo tamin’ny Oktobra 2004.

Ny tena olana tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay, dia hoe tsy nisy fanompoana sivily solon’ny fanaovana raharaha miaramila azon’izy ireo natao, raha tsy tamin’ny Oktobra 2013. Mbola ny miaramila ihany mantsy no niandraikitra an’ilay izy ary natao toy ny sazy ilay izy. Nanomboka tamin’ny 1993, dia an-jatony ny tovolahy Vavolombelona tsy nety nanao miaramila noho ny feon’ny fieritreretany ka nohelohina higadra mandritra ny taona maro, ary tena nijaly ny sasany taminy. Tamin’ny 8 Jona 2013, dia nataon’i Armenia nifanaraka tamin’ny fenitra eoropeanina ny lalàna momba ny fanompoana sivily. Neken’ny Vaomiera Momba ny Fanompoana Sivily àry, tamin’ny 23 Oktobra 2013, ny fangatahana voalohany hanao fanompoana sivily ho solon’ny raharaha miaramila, ka Vavolombelon’i Jehovah 57 no nangataka an’izany. Tena tsara io fandaharana io satria namela an’ireo Vavolombelona hanao ny adidiny amin’ny fireneny nefa tsy enjehin’ny eritreriny

Avakavahana ihany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia teo aza ireo fiovana ireo. Misy biraom-panjakana sasany tsy nety nanome taratasy fahazoan-dalana ahafahan’izy ireo manorina efitrano fivavahana. Itakian’ny doanina hetra ambony be koa ny boky sy gazety ara-pivavahana hafaran’izy ireo. Misy koa ny mpanohitra milaza lainga momba azy ireo amin’ny radio sy tele ary amin’ny fomba hafa. Nampakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana teo an-toerana sy tany amin’ny fitsarana iraisam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah mba handaminana an’izany rehetra izany.