Hijery ny anatiny

3 JONA 2019
BOLIVIA

Bolivia: Nanimba Zavatra Be ny Tany Nihotsaka tao La Paz

Bolivia: Nanimba Zavatra Be ny Tany Nihotsaka tao La Paz

Nisy tany nihotsaka tany La Paz, any Bolivia, tamin’ny 30 Aprily 2019 ka simba be ny tanànan’i San Jorge Kantutani. Olona an-jatony no tsy maintsy nifindra toerana.

Milaza ny sampan’i Bolivia fa tsy nisy rahalahy na anabavy maty na naratra. Trano roa nipetrahan’ny mpiara-manompo kosa no rava tanteraka rehefa nisy tany nihotsaka. Misy fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah 11 koa mipetraka ao amin’ilay faritra nisy loza, saingy tsy simba na zara raha simba ny tranon’izy ireo.

Manaraka ny toromariky ny biraon’ny sampana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy ka mitondra fampaherezana sy fanampiana. Mbola atahorana hisy tany hihotsaka any raha mbola avy ny orana, ka mailo foana ny mpiara-manompo amintsika mipetraka any.

Soa ihany fa tsy nisy rahalahy sy anabavy naratra tamin’iny loza iny sady efa mahazo ny fanampiana ilainy izy ireo.—Galatianina 6:10.