Hijery ny anatiny

Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2023 “Manàna Faharetana”! tany Newburgh, New York, any Etazonia

15 MEY 2023
ETAZONIA

Manomboka ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2023 hoe “Manàna Faharetana”!

Manomboka ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2023 hoe “Manàna Faharetana”!

Noho ny valanaretina COVID-19, dia naato ny fanatrehana mivantana ny fivoriamben’ny vondrom-paritra nanomboka tamin’ny Martsa 2020. Hatrehina mivantana indray anefa izany amin’ity taona ity. Maherin’ny 6 000 ny fivoriamben’ny vondrom-paritra halamina, ary hatao amin’ny fiteny 500 mahery izany. Ny lohatenin’ilay izy dia hoe “Manàna Faharetana”! Tamin’ny 12 Mey ka hatramin’ny 14 Mey 2023 no natao ny voalohany tamin’izany.

Tao amin’ny Efitrano Fivoriambe ao Newburgh, any New York, any Etazonia, ilay fivoriambe no natao. Nisy 1 800 mahery ny mpanatrika, anisan’izany ny Ranabavy Khrystine Torres. Izao no nolazainy: “Nirefodrefotra ny tehaka rehefa nilaza ny mpanolotra fandaharana hoe: ‘Tonga soa!’” Nanatrika tao koa ny Rahalahy Duane Smith. Hoy izy: “Nahafinaritra be ny nahita hoe faly be daholo ny mpanatrika! Hita hoe tena mifandray am-po ny mpiara-manompo.”

Natao batisa nandritra ny valanaretina ny Ranabavy Jessica Dolcemascolo, ary sambany izy vao nanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra mivantana. Inona no tsapany? Hoy izy: “Hitako hoe tena faly sy sambatra ny rehetra sady mifankatia. Hoatran’ny hoe nihaona tamin’ny namako be anankiray aho, rehefa avy tafasaraka taminy nandritra ny fotoana ela be.” Natao batisa teo am-piandohan’ity taona ity ny anabavy iray 18 taona antsoina hoe Noemi Tinajero. Izao no nolazainy: “Nahita fianakaviana falifaly aho tany amin’ilay fivoriambe. Dia nahita mpinamana falifaly koa. ... Hoatran’ny hoe efa any amin’ny tontolo vaovao izany e!”

Anabavy tonga ao amin’ny toerana fanaovana fivoriambe any Newburgh ny asabotsy maraina

Betsaka no nilaza hoe tena tiany ny foto-kevitr’ilay fivoriambe. Izao, ohatra, no nolazain’ny Rahalahy Sam Huh: “Sarotra amin’ny ankamaroantsika ny hoe hanam-paharetana. Dia tena ara-potoana ilay fivoriambe. Mampahatsiahy antsika ilay izy hoe mila miezaka hanam-paharetana hoatran’i Jehovah isika.” Hoy ny Ranabavy Frenchie Smith: “Nianarako tamin’iny fivoriambe iny hoe misy vokany eo amin’ny fiainako iray manontolo ny hoe manam-paharetana aho na tsia. Tena nahasoa ahy ilay fandaharana manontolo!”

Tena nahazo fampaherezana izay rehetra nanatrika an’iny fivoriamben’ny vondrom-paritra voalohany tany Newburgh, New York, iny! Efa tsy andrintsika rehetra sy ny olon-kafa an-tapitrisany maneran-tany koa ny handray soa avy amin’izany sakafo ara-panahy be dia be nomanina ho antsika izany, amin’ireo volana ho avy.​—Salamo 122:1.