Hijery ny anatiny

11 MARTSA 2021
ETAZONIA

Mbola Mahomby Foana ny Fitoriana An-taratasy

Mbola Mahomby Foana ny Fitoriana An-taratasy

Be dia be ny Vavolombelon’i Jehovah mitory amin’ny alalan’ny taratasy, ary mahafaly an-dry zareo ny manao an’izany. Ireto misy tantara tena nisy tany Etazonia, mampiseho hoe tena mandaitra ny manoratra taratasy mba hizarana an’ilay hafatra mampahery avy ao amin’ny Baiboly.

Ny Anabavy Carlee sy ny mamany, mitady andinin-teny hampidirina ao amin’ny taratasy hosoratany

Mipetraka any Blue Ash, any Ohio, ny Anabavy Carlee Ruggles, 13 taona. Tsy nampoiziny hoe nanampy olona ny taratasy nosoratany.

Nisy lehilahy nitaingina môtô izay tonga tao amin-dry zareo indray tolakandro. Nisy valopy teny an-tanany. Teo an-tokotany i Carlee tamin’izay. Nidina ny môtôny ilay lehilahy sady nivazavaza hoe: “Fa iza no nandefa an’ity taratasy ity?” Fantatr’i Carlee hoe ilay taratasy nosoratany tamin’izy nitory ilay izy.

Nanatona an’i Carlee haingana ny ray aman-dreniny mba hanampy an’azy. Sahy niteny tamin’ilay lehilahy anefa izy hoe: “Izaho tompoko no nanoratra an’iny.”

Gaga be i Carlee sy ny ray aman-dreniny naheno an’ilay lehilahy niteny hoe: “Tena nilaiko mihitsy ity taratasy ity!” Notantarainy hoe nahatsiaro ho manirery be mihitsy izy nandritra an’ilay valanaretina, dia ilay zavatra tao anatin’ilay taratasy no nampahery azy. Nolazainy koa hoe maty vao haingana ny rahalahiny, dia ny taratasin’i Carlee no nampionona azy.

Izao no noteneniny tamin’ny farany: “Manorata foana fa tena manohina ny fon’ny olona ny taratasy soratanao na mamaly ny olona na tsy mamaly.”

Vao mainka i Carlee tapa-kevitra hanoratra taratasy mba hampaherezana ny mpiara-belona aminy. Hozy hoe: “Tena faly be aho fa ampiasain’i Jehovah hampahery ny olona. Hay tena manampy an-dry zareo ny taratasy soratantsika.”

Anabavy Myrna Lopez any Center, any Texas

Mipetraka any Center, any Texas, indray ny Anabavy Myrna Lopez. Nanontany tena izy raha mba manampy olona ihany ny taratasy nosoratany, dia tamin’izay no nisy zavatra nitranga tamin’ny havany. Henony hoe nisy zanaky ny mpiray tam-po aminy nigadra. Nanoratra tany amin’io tovolahy io àry izy. Efa nanatrika fivoriana mantsy izy io tamin’ny mbola kely, dia te hanome toky azy i Myrna hoe tsy hadinon’i Jehovah izy.

Namaly ny taratasin’i Myrna izy. Nolazainy tao fa rehefa nigadra izy dia lasa nitebiteby sy nieritreritra hoe tsy misy dikany ny fiainany. Nanomboka nieritreritra ny fahazazany izy dia lasa namaky Baiboly sy nivavaka tamin’i Jehovah. Nolazainy hoe valim-bavaka avy amin’i Jehovah ny taratasy nalefan’i Myrna ary nahitany hoe mbola tia azy i Jehovah.

Anabavy Natalie Bibbs any Norcross, any Géorgie

Mipetraka any Norcross, any Géorgie, ny Anabavy Natalie Bibbs. Nisy vehivavy iray nanoratra taratasy kely ho azy. Nolazain’io vehivavy io fa nahita ny taratasy nosoratan’i Natalie, hono, izy tamin’izy nihazakazaka. Notantarainy hoe nahita taratasy nivalombalona teo amin’ny tany izy tamin’izay, fa tsy noraharahiany ilay izy tamin’ny voalohany. Avy eo anefa tsy hainy ny antony fa niverina izy dia nalainy ihany ilay taratasy.

Nolazain’ilay vehivavy tamin’i Natalie hoe tena mafy ny zavatra nahazo azy tamin’io herinandro io, dia mba naniry izy hoe mba hisy zavatra tsara hitranga aminy. Dia hozy hoe: “Hay ilay taratasy ilay zavatra tsara nandrasako!”

Izao no nolazain’i Natalie: “Hitako avy amin’iny tantara iny fa na ahoana na ahoana ny fomba itoriantsika, dia manohana ny ezaka ataontsika i Jehovah.”

Ny Anabavy Laura Martinez indray mipetraka any Athens, any Texas. Rehefa mividy sakafo izy, dia omeny taratasy izay mpiasa manatitra ny zavatra vidiny eny amin’ny fiarany. Nisy mpiasa iray izay niteny taminy hoe nampahery be azy ny taratasy nosoratany. Mbola nomen’i Laura taratasy roa fanampiny àry ilay vehivavy. Mampianatra Baiboly azy i Laura izao.

Anabavy Laura Martinez, any Athens, any Texas. Manome taratasy ny mpiasan’ny fivarotana fividianany sakafo izy

Hitantsika avy amin’ireo tantara ireo fa na dia tsy fantatsika aza hoe iza amin’ny voa nafafintsika no “ho vanona”, dia azon’i Jehovah ampiasaina mba hampaherezana sy hanomezana fanantenana an’izay olona tso-po ireny fomba samihafa itoriantsika ireny.​—Mpitoriteny 11:6.