Hijery ny anatiny

1 OKTOBRA 2021
ETAZONIA

Navoaka Tamin’ny Teny Hmong ny Bokin’i Matio

Navoaka Tamin’ny Teny Hmong ny Bokin’i Matio

Navoaka tamin’ny endrika elektronika amin’ny teny hmong Ny Baiboly: Ny Filazantsaran’i Matio, tamin’ny 25 Septambra 2021. Ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, no namoaka an’io boky io nandritra ny fivoriana manokana iray natao tamin’ny alalan’ny Internet. Nisy 2 500 no nanaraka an’ilay fandaharana naneran-tany.

Ny bokin’i Matio no boky voalohany amin’ny Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao voadika amin’ny teny hmong. Maherin’ny 3 900 000 ny olona mampiasa an’io fiteny io maneran-tany. a Manaraka fivavahana nentin-drazana ny foko hmong. Misy, ohatra, mivavaka amin’ny natiora. Misy indray mino hoe misy fanahy ratsy sy fanahy tsara mifehy an’izao rehetra izao.

Maro ny Hmong nitsoaka tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tany Tailandy taorian’ny 1970. Betsaka tamin’izy ireo no nifindra tany amin’ny firenena tandrefana, fa ny ankamaroany nanorim-ponenana tany Etazonia.

Any Kalifornia sy Minnesota ary Wisconsin no tena ahitana azy ireo any Etazonia. Nanomboka nandika boky tamin’ny teny hmong ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny 2007. Nisy Biraon’ny Fandikan-teny Mitokana naorina tany Sacramento, any Kalifornia, tamin’ny 2012.

Telo volana no namitan’ilay ekipa mpandika teny ny bokin’i Matio. Nisy ekipa mpanamarina tsipelin-teny avy amin’ny firenena dimy nanampy azy ireo.

Niatrika olana lehibe ilay ekipa mpandika teny nandritra an’io tetikasa io. Vao taorianan’ny 1950 mantsy no nanomboka nosoratana io fiteny io, dia tsy manana fitsipi-panoratana sy fitsipika momba ny sora-baventy.

Vao tamin’ny 1980 tany ho any no nisy olona nandika ny Baiboly tamin’ny teny hmong. Lafo be anefa ireny Baiboly ireny dia tsy takatry ny ankamaroan’ny Hmong. Betsaka koa no diso tao anatin’izy ireny dia lasa diso ny fahazoan’ny olona ny Soratra Masina. Nisy fandikan-teny iray, ohatra, nanolo ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah tamin’ny anaran’ny olona iray ao amin’ny angano hmong.

Izao no nolazain’ny mpandika teny iray: “Afaka mamaky ny anaran’i Jehovah ao amin’ny Baiboliny amin’izay izao ny olona tso-po rehefa mampiasa an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Hanampy azy mba ho lasa naman’i Jehovah izany. Efa izany foana no nandrasanay sy nangatahinay tamin’ny vavaka.”

Nisy mpamaky nilaza hoe faly ry zareo nahazo an’ilay fandikan-teny satria marina tsara sy mora azo ilay izy. Izao, ohatra, no noresahin’ny mpamaky anankiray: “Variana aho rehefa mamaky ny bokin’i Matio amin’ny teny hmong. Manontany tena aho hoe: ‘Fa maninona àry no lasa hoatran’ny hoe iainako izany mihitsy ilay zavatra resahina ao amin’ity Baiboly ity?’ Tonga dia azoko sary an-tsaina izay vakiko.”

Mampahatsiahy antsika io bokin’i Matio navoaka io hoe tena tsy manavakavaka ilay Andriamanitsika, ka tsy maintsy ataony izay hahazoan’ny olona Baiboly amin’ny fiteniny, raha tena mitady azy ilay olona.​—Asa. 10:34, 35.

a Sarotra amin’ny mpikaroka ny hamantatra hoe firy marina ny isan’ny Hmong maneran-tany. Tombanana ho 2 700 000 ny isan’izy ireo any amin’ny faritra atsimon’i Chine. Misy Hmong eo amin’ny 1 200 000 indray monina any amin’ny faritra avaratr’i Vietnam, Laos, Tailandy, ary any amin’ny faritra atsinanan’i Myanmar. Maherin’ny 170 000 indray no mipetraka any Etazonia.