Hijery ny anatiny

29 OKTOBRA 2018
FRANTSA

Ranotrambo any Amin’ny Faritra Atsimon’i Frantsa

Ranotrambo any Amin’ny Faritra Atsimon’i Frantsa

Nisy oram-be nivatravatra tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa, tamin’ny 14 sy 15 Oktobra 2018. Vokatr’izany dia nisy tondra-drano ka olona folo, fara fahakeliny, no maty.

Araka ny tatitra avy amin’ny sampan’i Frantsa dia tsy nisy naninona ny rahalahintsika mipetraka any amin’io faritra io, saingy nisy fianakaviana vitsivitsy ihany nafindra toerana. Nisy simba kely ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro, fa telo kosa no nisy fahasimbana be. Nanome fanampiana ho an’ireo rahalahintsika ny Biraon’ny Vonjy Rano Vaky ao amin’ny biraon’ny sampana.

Matoky isika fa “mihazona mafy” an’ireo rahalahintsika ny tanana maherin’i Jehovah Andriamanitsika, amin’izao fotoana mampiady saina izao.—Salamo 63:8.