Hijery ny anatiny

21 MEY 2021
ISRAELY

Ady any Israely sy any Amin’ny Faritanin’ny Palestinianina

Ady any Israely sy any Amin’ny Faritanin’ny Palestinianina

Toerana

Israely sy ny Faritanin’ny Palestinianina

Zava-nitranga

  • Nisy ady nipoaka tany Israely sy ny Faritanin’ny Palestinianina tamin’ny 10 Mey 2021, ka be dia be ny olona maty

    Mpivady mpisava lalana manokana miaro tena ao amin’ny toerana azo antoka rehefa naheno ny fanairan’ny manam-pahefana

  • Trano sy toeram-piasana ary fivarotana be dia be no simba tany amin’ireo tanàna misy Jiosy sy Arabo any Israely

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy naratra ireo mpitory 2 000 mahery any Israely sy ny Faritanin’ny Palestinianina, na dia iray aza

  • Mpitory 73 no nafindra toerana, anisan’izany ny mpanompo manontolo andro manokana eny amin’ny saha miisa 15. Betelita 13 no tsy maintsy niara-nipetraka nandritra ny fotoana tsy maharitra tao amin’ny trano misy toerana fialofana amin’ny baomba

Zavatra simba

  • Trano 6 no misy simba kely

Fanampiana tra-boina

  • Mandrindra ny fanampiana tra-boina ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky ary miara-miasa amin’ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy eo an-toerana mba hanomezana an’izay ilain’izy ireo

  • Miara-miasa koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy mba hampaherezana ny mpitory amin’ny alalan’ny Baiboly

  • Manaraka tsara ny fepetra natao hiarovana amin’ny COVID-19 ireo mikarakara fanampiana

Tsy tapaka mihitsy ny fivorian’ny fiangonana satria atao amin’ny alalan’ny vidéoconférence. Afaka nanaraka mivantana ny fivoriamben’ny faritra koa ny rahalahy sy anabavy tamin’ny 15 Mey satria nampiasa ny JW Stream–Studio. Tapaka intelo ny fandaharana tamin’ny tolakandro fa nisy fanairana nataon’ny manam-pahefana. Rehefa naheno an’ireny fanairana ireny ireo rahalahy sy anabavy, dia afaka nandeha niafina vetivety tany amin’ny toerana fiarovana, ohatra hoe tany ambany tohatra na tany amin’ny toerana fialofana amin’ny baomba. Na teo aza ilay ady, dia mpitory 804 no nanatrika an’ilay fandaharana tamin’ny teny hebreo ary mpitory 297 tamin’ny teny tagalog. Amin’ny 22 Mey indray ny fiangonana dimy mampiasa ny teny arabo any Israely sy ny Faritanin’ny Palestinianina no hanao ny fivoriamben’ny faritra.

Matoky an’i Jehovah foana ireo rahalahy sy anabavintsika miaritra an’izao zava-tsarotra izao. Ataon-dry zareo fialofany koa i Jehovah.​—Salamo 91:1, 2, 5.