Hijery ny anatiny

7 APRILY 2021
KAMBÔDZA

Navoaka Tamin’ny Teny Kambôdzianina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Navoaka Tamin’ny Teny Kambôdzianina ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Nivoaka tamin’ny 3 Aprily 2021 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny kambôdzianina. Natao pirinty sy amin’ny endrika elektronika ilay izy. Fandaharana efa noraisim-peo mialoha ilay izy, dia nalefa tamin’ny fiangonana sy antoko-mpitory rehetra eran’ny Kambôdza. Ny Rahalahy Kenji Chichii, anisan’ny Komitin’ny Sampana a any Japon, no namoaka an’ilay Baiboly.

Olona 16 tapitrisa eo ho eo no miteny kambôdzianina, ary mpitory 1 100 mahery no mitory any amin’ny faritany miteny kambôdzianina.

Hoy ny Rahalahy Masahiro Harada, anisan’ny Komitin’ny Sampan’i Japon: “Mino izahay fa hanampy ny mpamaky hahafantatra ny toetra tsaran’Andriamanitra io Baiboly io, ohatra hoe ilay izy be fitiavana sy mangoraka ary mamindra fo. Enga anie ka ho betsaka kokoa ny olona miteny kambôdzianina hanatona an’i Jehovah rehefa mamaky an’io Baiboly io, dia hidera azy.”

Ekipa roa misy mpandika teny enina no niara-namita an’ilay tetikasa nandritra ny efa-taona. Hoy ny mpandika teny iray: “Tsy misy teny tranainy be ao amin’ilay Baiboly vaovao. Tonga dia manohina ny fo ilay izy. Tena mitovy amin’ny zavatra tsapako mihitsy ny Salamo 139:17 hoe: “Tena sarobidy amiko ny hevitrao!”

Hoy ny mpandika teny hafa: “Tena matoky aho hoe vao mainka ho akaiky kokoa an’i Jehovah ny mpiara-manompo rehefa mamaky an’io Baiboly vaovao io. Ho tsapan-dry zareo hoe tena tia azy i Jehovah, rehefa ilay mahatsiaro irery iny izy. Ho tsapany koa hoe voaro izy rehefa misy loza. Ho tony sy hiadan-tsaina ry zareo rehefa mitebiteby. Dia hampahery an-dry zareo koa ilay izy rehefa ao anatin’ny sarotra izy.”

Matoky isika fa vao mainka ho be dia be ny olona hahalala an’i Jehovah, ilay Mpamorona Be Voninahitra, dia hanome voninahitra sy hidera azy satria tena mendrika an’izany izy.​—Apokalypsy 4:11.

a Ny Sampan’i Japon no miandraikitra ny asa any Kambôdza.