Hijery ny anatiny

Tranon’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah, kilan’ny afo tanteraka

25 APRILY 2019
KOREA ATSIMO

Afo Nandravarava Tany Amin’ny Morontsiraka Atsinanan’i Korea Atsimo

Afo Nandravarava Tany Amin’ny Morontsiraka Atsinanan’i Korea Atsimo

Nisy ala may tany amin’ny morontsirak’i Korea Atsimo, tany amin’ny faritr’i Gangwon, tamin’ny 4 Aprily 2019. Niely haingana be ilay afo ka nilaza ny fanjakana fa misy loza mihatra amin’ilay firenena. Rehefa voafehy ilay afo, dia velaran-tany 1600 hektara mahery no efa may, ary olona roa no maty.

Milaza ny sampana fa tsy nisy rahalahy na anabavy maty. Trano valo kosa no simba, ary nisy vokany teo amin’ny rahalahy sy anabavy 27 izany. Manaraka ny toromariky ny sampana ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky sy ny mpiandraikitra ny faritra, ka miara-miasa amin’ny anti-panahy mba hampaherezana sy hanampiana an’izay tratran’iny loza iny.

Matoky isika hoe “fialofana sy hery” ho an’ny mpiara-manompo amintsika i Jehovah, sady “mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana.”—Salamo 46:1.