Hijery ny anatiny

28 AOGOSITRA 2020
KOREA ATSIMO

Izay Vao Nisy Oram-be Hoatr’izany Tany Korea Atsimo, ary Tena Nandravarava Ilay Izy

Izay Vao Nisy Oram-be Hoatr’izany Tany Korea Atsimo, ary Tena Nandravarava Ilay Izy

Toerana

Korea Atsimo

Zava-nitranga

  • Avy be ny orana tany Korea, sady izay vao nisy orana naharitra ela be hoatr’izany tany

  • Nahatonga tondra-drano ilay izy, ka be dia be ny zavatra simba sy ny tany nihotsaka

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Mpitory 16 no nafindra toerana vonjimaika

Zavatra Simba

  • Trano 30 no simba

  • Efitrano Fanjakana 19 no simba

Fanampiana Tra-boina

  • Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) telo ny sampan’i Korea

  • Miara-miasa amin’ny anti-panahin’ny fiangonana ny KVRV sy ny mpiandraikitra ny faritra mba hanampiana ny mpiara-manompo tra-boina

  • Efa mandeha izao ny fanadiovana sy ny fanamboarana ny trano sy ny Efitrano Fanjakana simba

Fitantarana

  • Mipetraka any Gurye ny Rahalahy Min-seong Lee sy ny vadiny. Anisan’ny tanàna be tra-boina indrindra izy io. Tondraky ny rano ny tranon’izy mivady, dia tsy maintsy niala tao haingana ry zareo. Tavela tao daholo ny fananany. Rehefa nanomboka ny fanampiana tra-boina, dia nisy solontenan’ny KVRV nanadio ny tranon-dry zareo. Nomen’izy ireo an’izay tena nilainy koa izy mivady. Niezaka koa ny rahalahy anisan’ny KVRV mba hampionona sy hampahery azy mivady tamin’ny alalan’ny Baiboly. Izao no nolazain’ny Ranabavy Lee momba ny fanampiana rehetra azony: “Tena mankasitraka an-dry zareo aho. Nahavariana ny zavatra nataony. Nataony hoatran’ny hoe ny tranony mihitsy ilay simba sy nila nokarakaraina. Marina hoe be dia be ny fananako very, fa mbola be dia be lavitra noho izany izao ny zavatra azoko.”

Faly isika fa mbola mikarakara an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Korea foana i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra,” amin’izao fotoan-tsarotra izao.—2 Korintianina 1:3, 4.