Hijery ny anatiny

2 FEBROARY 2022
MADAGASIKARA

Nisy Oram-be Niteraka Tondra-drano Tany Madagasikara

Nisy Oram-be Niteraka Tondra-drano Tany Madagasikara

Nisy oram-be nivatravatra tany Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara, nandritra ny volana Janoary 2022. Niteraka tondra-drano izany ary betsaka ny tany nihotsaka sy ny trano nianjera. Mety mbola hitohy ny orana.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy mpiara-manompo naratra na maty

  • Mpitory 693, fara fahakeliny, no tsy maintsy niala ny tranony

  • Tsy nisy Efitrano Fanjakana simba

Fanampiana tra-boina

  • Nanendry Komitin’ny Vonjy Rano Vaky (KVRV) ny Komitin’ny Sampana mba handamina ny fanampiana tra-boina. Arahina tsara foana ny fepetra fiarovana amin’ny COVID-19

  • Miara-miasa ny KVRV sy ny mpiandraikitra ny faritra ary ny anti-panahy mba hanampiana ny mpiara-manompo ho akaiky an’i Jehovah foana sy hahazo an’izay ilainy, ohatra hoe toerana azo ipetrahana sy sakafo

Matoky isika fa ho “toerana voaro mafy” ho an’ny mpiara-manompo amintsika foana i Jehovah, amin’izao fotoan-tsarotra izao.​—Salamo 31:2.