Hijery ny anatiny

Any amin’ny 30 kilaometatra any atsinanan’i Mexico, any Meksika no misy ny biraon’ny sampan’i Amerika Afovoany amin’izao

30 JANOARY 2023
MEKSIKA

Hafindra Toerana ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Amerika Afovoany

Hafindra Toerana ny Sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Amerika Afovoany

Neken’ny Filan-kevi-pitantanana ilay tetikasa hoe hafindra ny biraon’ny sampan’i Amerika Afovoany, izay any akaikin’i Mexico, any Meksika. Misy rahalahy dimy notendrena ho anisan’ny Komitin’ny Tetikasa Fanorenana (KTF) mba hikarakara an’io tetikasa fifindrana io. Mbola mitady toerana mety tsara ho an’ilay biraon’ny sampana vaovao ny KTF amin’izao.

Efa nohavaozina sy nitarina imbetsaka ilay biraon’ny sampana misy ankehitriny, hatramin’ny 1974. Ny sampan’i Amerika Afovoany, a anefa no lasa niandraikitra ny asa fitoriana any Belize, Costa Rica, Salvadaoro, Goatemalà, Honduras, Nikaragoà, ary Panama tamin’ny 2011. Tsy maharaka ilay biraon’ny sampana efa misy amin’izao, ka mbola mila hitarina sy hohavaozina indray ilay izy raha ny tokony ho izy. Tapaka àry fa aleo manorina trano vaovao any amin’ny toerana hafa, satria mitombo foana ny trano ilaina. Ho voakarakara kokoa sady ho eo amin’ny toerana mety tsara koa amin’izay ny sampan’i Amerika Afovoany, ka ho afaka hanohana tsara ny asa fitoriana an’ilay Fanjakana.

Hisy fizarana maromaro io tetikasa famindrana biraon’ny sampana io. Voalohany amin’izany ny hoe hividy tany sy hanorina trano fonenana ary trano fiasana ho an’ny Betelita 300. Amin’ireo fizarana manaraka kosa no hamboarina ny trano fonenana hafa sy trano fiasana ilain’ny fianakavian’ny Betela.

Hoy ny Rahalahy Joseph Yi, anisan’ilay KTF hoe: “Miara-miasa amin’ny Komitin’ny Sampan’i Amerika Afovoany izahay amin’izao fotoana izao, mba hamantarana hoe faritany aiza eto Meksika no mety indrindra ho an’ilay biraon’ny sampana vaovao. Anisan’ny hojerenay ny hoe manaiky tsara an’ilay tetikasa ve ireo manam-pahefana sy ny mponina eny an-toerana. Tsy andrinay ny hahita an’i Jehovah hitari-dalana ny ezaka ataonay.”

Faly be isika noho io tetikasa fanorenana io, ka mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah ilay izy.​—Ohabolana 16:3.

a Biraon’ny sampan’i Meksika no niantsoana ny biraon’ny sampan’i Amerika Afovoany, hatramin’ny 2014.