Hijery ny anatiny

Ilay Fitsarana Tampony any Monaco

23 NOVAMBRA 2022
MONACO

Voasoratra Ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Monaco

Voasoratra Ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah any Monaco

Voasoratra ara-dalàna tany amin’ny fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah any Monaco, tamin’ny 19 Novambra 2022. Noho ilay didim-pitsarana anankiroa navoakan’ny Fitsarana Tampony any Monaco sy ilay didim-pitsarana iray navoakan’ny Fitsarana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona (CEDH) no nahatonga an’izany. Samy nanohana ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy ireo didy nivoaka ireo.

Rehefa nandefa fangatahana tany amin’ny CEDH ny rahalahintsika, dia tsy ampy roa taona taorian’izay akory dia efa namaly ry zareo. Nolazain’ny CEDH tamin’ny fanjakan’i Monaco ny fanapahan-keviny dia nasain’ny CEDH nitady vahaolana ry zareo.

Rehefa fantatry ny fanjakana ilay raharaha, dia niara-nidinika aloha ny roa tonta dia nahita fomba tsara handaminana an’ilay izy. Nanaiky ny fanjakan’i Monaco hoe hanoratra ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Namoaka didy àry ny CEDH tamin’ny 9 Desambra 2021 hoe hosoratan’ny fanjakan’i Monaco ara-dalàna ny fikambanantsika, ary tsy sakantsakanana ny fanompoantsika. Nanaiky koa ny fanjakana fa hanonitra ny vola lanintsika tamin’ilay izy, izay mitentina 35 000 euros mahery (161 000 000 ariary eo ho eo).

Namoaka taratasy ny fanjakan’i Monaco, tamin’ny 16 Novambra 2022, manamarina hoe voasoratra ara-dalàna ny Association Monégasque pour le Culte des Témoins de Jéhovah (Fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah any Monaco). Navoaka tao amin’ny gazety ofisialy any Monaco io taratasy io tamin’ny 18 Novambra 2022.

Faly isika fa afaka manompo tsy misy fanakantsakanan’ny fanjakana ny mpiara-manompo amintsika any Monaco. Misaotra an’i Jehovah isika fa efa ela no niandrasantsika an’izao fanoratana ara-dalàna ny fikambanantsika izao.​—Filipianina 1:7.