Hijery ny anatiny

Havia: Efitrano Fanjakana ravan’ilay rivo-doza. Havanana: Sarintany mampiseho ny faritra tratran’ilay rivo-doza

28 MEY 2020
PHILIPPINES

Nandravarava Ilay Rivo-doza Voalohany Namely An’i Philippines Tamin’ity Taona Ity

Nandravarava Ilay Rivo-doza Voalohany Namely An’i Philippines Tamin’ity Taona Ity

Namely ny nosin’i Samar ny Rivo-doza Vongfong (antsoin’izy ireo hoe Ambo) tamin’ny 14 Mey 2020. Rivo-doza mahery be izy io, ary io no voalohany namely ny faritra andrefan’ny Oseana Pasifika, tamin’ity taona 2020 ity. Nahatratra 185 kilaometatra isan’ora ny rivotra nentiny tamin’izy namely an’i Samar. Olona ana hetsiny no nafindra toerana, ary tena sarotra ny nanao an’izany satria nitaky ny hanajana ny elanelana ny fanjakana.

Tsy nisy naratra ireo rahalahy sy anabavy. Sivy amby dimampolo kosa no tsy maintsy niala tao amin’ny tranony. Nipetraka tany amin’ny sekoly izy ireo, na tany an-tranon’ny Vavolombelona hafa. Trano 82 nipetrahan’ny rahalahintsika koa no rava na nisy fahasimbana. Efitrano Fanjakana dimy no simba, ary iray no rava tanteraka. Nanangana Komitin’ny Vonjy Rano Vaky roa ny Komitin’ny Sampan’i Philippines mba hikarakarana an’izay ilain’ny rahalahy sy anabavy sy hanatanjahana ny finoan’izy ireo.

Mivavaka ho an’ireo mpiara-manompo any Philippines foana isika, satria efa eo ny valanaretina nefa mbola tratran’ny rivo-doza koa izy ireo. Matoky tanteraka isika fa hikarakara an’izay ilain’izy ireo foana i Jehovah, ilay ‘Vatolampintsika mandritra ny fotoana tsy voafetra.’—Isaia 26:4.