Hijery ny anatiny

21 JANOARY 2015
POLONINA

Fankalazana ny Faha-70 Taonan’ny Nanafahana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Olon-kafa Tsy Maty Tany Auschwitz

Fankalazana ny Faha-70 Taonan’ny Nanafahana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny Olon-kafa Tsy Maty Tany Auschwitz

VARSOVIE, any Polonina—Olona an’arivony no hankalaza ny faha-70 taonan’ilay fanafahana tao Auschwitz, amin’ny 27 Janoary 2015. Toby fitanan’ny Nazia izy io sady toby famonoana. Ny olona avy amin’ny firenena tsy tian’ny Nazia no tena novonoina tao. Nampijalina tao koa ny Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny firenena samihafa, anisan’izany ny Vavolombelona alemà.

Ny Tranombakok’i Auschwitz-Birkenau sy ny Konsily Iraisam-pirenen’i Auschwitz no mikarakara an’ilay fankalazana. Ho avy ao i Bronisław Komorowski, filohan’i Polonina, sy ny solontenan’ny firenena maro. Halefa mivantana ao amin’ny Internet koa ilay fandaharana.

Tanàna nalain’ny Nazia tamin’ny Ady Lehibe II i Oświęcim, ary any amin’ny faritanàna manamorona azy io no misy an’i Auschwitz. Toby fitanan’ny Alemà izy io tamin’ny voalohany, ary nisy gadra poloney 700 teo ho eo nampidirina tao, tamin’ny Jona 1940. Vetivety dia nitatra ilay tobin’i Auschwitz ka lasa nisy toby sy trano fanampiny 40 mahery. Nahatratra hatramin’ny 20000 isan’andro ny olona novonoina tao amin’ireo efitra efatra nandefasana gazy mahafaty tany Auschwitz-Birkenau. Dimy taona latsaka kely no niasan’ny toby tany Auschwitz, ary olona 1100000, fara fahakeliny, no nalefa tany, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah 400 mahery.

Hoy ny tranonkalan’ny Tranombakok’i Auschwitz-Birkenau: “Tsy dia miresaka firy momba ny Vavolombelon’i Jehovah (antsoina hoe [Mpianatra ny] Baiboly, ao amin’ireo taratasy firaketan’ny toby) ireo asa soratra momba ny tantaran’ny Toby Fitanana tao Auschwitz. Nogadraina noho ny finoany izy ireo. Tsara anefa ny mandinika akaiky ny momba azy ireo satria tsy nivadika tamin’ny zavatra ninoany mihitsy izy ireo na dia nijaly tany amin’ny toby aza.” Hita amin’ireo taratasy firaketana ao amin’ilay tranombakoka fa ny Vavolombelon’i Jehovah no anisan’ny nogadraina voalohany tany Auschwitz, ary ny 35 isan-jato mahery tamin’izy ireo no maty tao.

Andrzej Szalbot (Gadra–IBV 108703): Nosamborin’ny Nazia tamin’ny 1943, ary nalefa tany Auschwitz satria tsy nety nanao raharaha miaramila noho ny feon’ny fieritreretany.

Efa tamin’ny 1933 ny fikambanan’ny Vavolombelon’i Jehovah no lasibatry ny fitondrana nazia, ka norarana nanerana an’i Alemaina. Nifanohitra tamin’ny firehan-kevitra nazia ny zavatra inoan’ny Vavolombelona sy ny fanaony. Terena hiteny, ohatra, ny olon-drehetra hoe “Heil Hitler!” Tsy nety nanao an’izany anefa ny Vavolombelona satria toy ny hoe manome voninahitra an’i Hitler izy ireo raha manao an’izany ary mivadika amin’Andriamanitra. Tsy nety nanao asa mifandray amin’ny raharaha miaramila koa izy ireo ka noheverin’ny Nazia ho mpikomy amin’ny fanjakana. Nosamborina i Andrzej Szalbot, tamin’ny 1943, tamin’izy 19 taona, ary nalefa tany Auschwitz. Hoy izy: “Raha vao tsy mety manao miaramila ianao dia tsy maintsy halefa any amin’ny toby fitanana.” Nilazana ny Vavolombelon’i Jehovah hoe hafahana avy hatrany izay manao sonia taratasy iray milaza fa miala tsy ho anisan’io fikambanana io izy ary manaiky fa diso ny fampianaran’ilay fikambanana. Tsy nety nanao sonia i Szalbot.

Nilazana ny Vavolombelon’i Jehovah hoe hafahana izay mandà ny finoany sy manao sonia taratasy iray mitovy amin’ity.

Nantsoina tamin’ilay fanafohezana hoe IBV ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo taratasy ofisialin’ny Nazia. Izao no fanalavana azy: Internationale Bibelforscher-Vereinigung (na Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena). Io no anarana ofisialin’ilay fikambanana amin’ny teny alemà. Nasain’ny Nazia nanao fanamiana misy telozoro volomparasy ny Vavolombelona tany amin’ny toby fitanana. Nanampy ny Vavolombelona mba hifankahalala izany. Nihaona izy ireo isan-kariva, alohan’ny fiantsoana anarana, mba hifampahery. Nanao fivoriana miafina koa izy ireo mba hianarana Baiboly miaraka amin’ny gadra hafa. Tsara fanahy sy nanana finoana matanjaka mantsy ny Vavolombelona ka nampiaiky volana ny gadra sasany izany. Maro tamin’izy ireny no lasa Vavolombelon’i Jehovah tamin’izy ireo tany amin’ny tobin’i Auschwitz.

Tonga tany Oświęcim ny Tafika Menan’ny Firaisana Sovietika, ny asabotsy 27 Janoary 1945 maraina. Gadra 7000 teo ho eo no efa nafahan’ny tafika sovietika, tamin’ny 3 ora tolakandro, tany Auschwitz I sy Auschwitz II (Birkenau) ary Auschwitz III (Monowitz).

Stanisław Zając, tonga tany Auschwitz tamin’ny 16 Febroary 1943.

Noteren’ny Nazia hiala tany amin’ny tobin’i Auschwitz ireo gadra an’aliny satria efa nanatona ny Tafika Mena. Anisan’izy ireny i Stanisław Zając, izay Vavolombelon’i Jehovah. Niala tao amin’ilay toby fanampiny tany Jaworzno izy sy ny gadra 3200 teo ho eo, ka namakivaky lalana feno lanezy, ary nanao an’ilay diaben’ny fahafatesana. Voalaza fa 2000 latsaka no sisa tsy maty tamin’ilay dia naharitra telo andro nankany Blechhammer. Mbola anisan’ny toby fitanan’i Auschwitz izy io, ary tany anaty ala no nisy azy. Izao no nosoratan’i Zając, momba ny zava-nitranga tamin’izy sy ny gadra hafa niafina tao amin’ilay toby: “Henonay hoe nisy tanky nandalo nefa tsy nisy sahy nandeha nijery izahay hoe an’iza izy ireo. Ny maraina vao fantatray hoe an’ny Rosianina kay ireo tanky. ... Feno miaramila rosianina ilay ala, ary tamin’izay vao nitsahatra ny fahoriana nentiko tany amin’ny toby fitanana.”

Hisy fampirantiana sy valandresaka momba ny faha-70 taonan’ilay fanafahana tany Auschwitz, amin’ny 27 Janoary 2015, any amin’ny tanàn-dehibe maromaro maneran-tany.

Filazam-baovao:

Iraisam-pirenena: J. R. Brown, Biraon’ny Filazam-baovao, tel. +1 718 560 5000

Alemaina: Wolfram Slupina, tel. +49 6483 41 3110

Polonina: Ryszard Jabłoński, tel. +48 608 555 097