Hijery ny anatiny

5 JOLAY 2019
PORTOGALY

Lisbonne, Portogaly: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!

Lisbonne, Portogaly: Fivoriambe Iraisam-pirenena 2019 hoe “Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana”!
  • Daty: 28-30 Jona 2019

  • Toerana: Kianja Sport Lisboa e Benfica any Lisbonne, any Portogaly

  • Fiteny: Anglisy, espaniola, portogey (Portogaly), tenin’ny tanana portogey

  • Tampon’isan’ny mpanatrika: 63390

  • Tontalin’ny natao batisa: 451

  • Solontena avy any ivelany: 5300

  • Sampana nasaina: Amerika Afovoany, Angola, Aostralazia, Brezila, Espaina, Etazonia, Ghana, Inde, Kanada, Mozambika, Sénégal, Venezoelà

  • Fitantarana: Anisan’ny mpamily ny bisy nitondra an’ireo vahiny nitsangantsangana Atoa Santos. Nanasa azy hanatrika fivoriambe ilay mpitarika ny vahiny. Namaly izy hoe: “Ho avy aho! Milamin-tsaina be mihitsy aho hatramin’izay niarahako niasa taminareo izay. Tsy haiko hoe inona no mahatonga an’izany fa tena milamin-tsaina aho miaraka aminareo. Efa any amin’ilay kianja ihany aho mandritra ny andro, dia aleoko manatrika an’ilay fivoriambe.” Nilaza Atoa Santos hoe tiany be ilay fandaharana. Mipetraka any ambanivohitr’i Lisbonne izy, ary nifankahita tamin’ny rahalahy mipetraka any akaikin-dry zareo, tao amin’ilay fivoriambe. Nanaiky izy hoe hotsidihin’io rahalahy io rehefa tafody.

 

Mpiara-manompo miarahaba tonga soa an’ireo vahiny vao tonga eny amin’ny seranam-piaramanidina

Vahiny manao fitsidihana manokana ao amin’ny biraon’ny sampan’i Portogaly

Manao ny lahateny famaranana ny zoma ny Rahalahy Geoffrey Jackson, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana

Mpanatrika manao hira amin’ny tenin’ny tanana portogey

Anabavy iray anisan’ireo natao batisa

Ankizivavikely maka sary eo akaikin’ny sarin’i Kaleba sy Sofia

Manao ny hira farany amin’ny fivoriambe ny vahiny

Manofahofa tanana amin’ny mpanatrika ny mpanompo manontolo andro manokana avy any an-tany hafa, eo am-pifaranan’ny fivoriambe

Miaraka manao fampirantiana amin’ny rahalahy eo an-toerana ny vahiny

Dihy nentim-paharazana ho an’ny vahiny

Manofahofa tanana amin’ny mpanatrika ny rahalahy sy anabavy nanao fampisehoana tamin’ny korana takariva