Hijery ny anatiny

Avy any ankavia miankavanana: Rahalahy Andrey Andreyev, Rahalahy Artem Bagratyan sy Alevtina, vadiny, ary Rahalahy Andrey Ryshkov

16 MARTSA 2021
ROSIA

Mety Higadra Noho ny Finoany ny Mpivady Iray sy ny Rahalahy Telo any Amin’ny Faritanin’i Koursk

Mety Higadra Noho ny Finoany ny Mpivady Iray sy ny Rahalahy Telo any Amin’ny Faritanin’i Koursk

VAOVAO FARANY | Nolavin’ny Fitsarana Rosianina ny Fampakarana Fitsarana Nataon’ireo Vavolombelona Dimy

Tamin’ny 20 Janoary 2022, dia nolavin’ny Fitsarana any amin’ny Faritanin’i Koursk ny fampakarana fitsarana nataon’ny Rahalahy Andrey Andreyev, Andrey Ryshkov, Aleksandr Vospitanyuk, ary Rahalahy Artem Bagratyan sy Alevtina, vadiny. Tsy miova àry ny sazin’izy ireo.

Nomelohin’ny Fitsaram-paritr’i Koursk ny mpivady iray sy ny rahalahy telo, tamin’ny 3 Jona 2021. Voasazy higadra efa-taona sy tapany ny Rahalahy Andreyev, ary voasazy higadra telo taona ny Rahalahy Ryshkov. Ny Rahalahy Bagratyan indray voasazy higadra roa taona sy tapany, ary voasazy higadra roa taona i Alevtina, vadiny. Voampanga koa ny Rahalahy Vospitanyuk ary fanaraha-maso mandritra ny roa taona no saziny sady miampy fameperana hafa.

Ireo voampanga

Andrey Andreyev

  • Teraka: 1976 (Koursk)

  • Mombamomba azy: Nanambady an’i Svetlana tamin’ny 1999. Manan-janaka roa vavy. Lasa liana tamin’ny Baiboly rehefa nahafantatra hoe tanteraka ny faminaniana ao. Natao batisa tamin’ny 2002

Alevtina Bagratyan

  • Teraka: 1977 (Koursk)

  • Mombamomba azy: Tia zavakanto tamin’ny mbola kely. Mbola kely koa dia efa nanomboka nianatra Baiboly. Natao batisa tamin’ny 1997. Nanambady an’i Artem tamin’ny 2012. Mpanao volo no asany sady mikarakara ny mamany izy

Artem Bagratyan

  • Teraka: 1972 (Abovyan, Armenia)

  • Mombamomba azy: Avy any Armenia no nifindra tany Rosia. Tany Koursk no nihaonany tamin’i Alevtina. Samy tia mankafy zavaboary izy mivady. Natao batisa tamin’ny 2000

Andrey Ryshkov

  • Teraka: 1987 (Koursk)

  • Mombamomba azy: Maty ny dadany tamin’izy mbola kely. Niaraka tamin’ny dadabeny foana tamin’ny mbola kely satria nanao asa roa ny mamany. Lasa liana tamin’ny Baiboly rehefa hitany tao ny valin’ny fanontaniana nanahiran-tsaina azy nandritra ny taona maro. Natao batisa tamin’ny 2011. Nanambady an’i Marina tamin’ny 2016. Mpanamboatra ny simba amin’ny trano no asany taloha

Mombamomba an’ilay raharaha

Nanao fisavana sy famotorana tany an-tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah maromaro any Koursk ny polisy avy ao amin’ny Sampan-draharahan’ny Fiarovam-pirenena (FSB), tamin’ny 16 Oktobra 2019. Vokatr’izany, dia voasambotra ny Rahalahy Andrey Andreyev sy ry Bagratyan mivady. Nosamborin’ny polisy koa ny Rahalahy Ryshkov tamin’ny 21 Janoary 2020. Nafahana i Alevtina Bagratyan tamin’ny 17 Desambra 2020, rehefa avy notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny herintaona sy iray volana. Ambenana ao an-trano izy izao. Mbola any am-ponja kosa ireo rahalahy telo.

Voan’ny diabeta i Artem Bagratyan. Nosarahina efitra izy mivady tany am-ponja. Izao no nolazain’i Alevtina rehefa nahatsiaro an’izany: “Tsy fantatro mihitsy nandritra ny fotoana ela be hoe mba nanao ahoana izy izay, niharatsy ve ny fahasalamany. Nalahelo be azy aho.”

Nilaza i Alevtina hoe natoky foana izy fa hikarakara azy sy ireo rahalahy hafa migadra i Jehovah. Nanazava izy hoe: “Nampahery ahy foana [i Jehovah], dia fantatro hoe mbola hanao an’izany foana izy. Tsy misalasala ny amin’izany mihitsy aho.”

Matoky isika fa ho tilikambo mafy ho an’izy efatra mianadahy foana i Jehovah ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao.​—Ohabolana 18:10.