Hijery ny anatiny

Andrey sy Svetlana vadiny, eo ivelan’ny fitsarana, taorian’ny nivoahan’ilay didy hoe tsy ambenana ao an-tranony intsony izy

22 AOGOSITRA 2019
ROSIA

Namoaka Didy ny Fitsarana Ambony hoe Tsy Ambenana ao An-tranony Intsony ny Rahalahy Andrey Suvorkov

Namoaka Didy ny Fitsarana Ambony hoe Tsy Ambenana ao An-tranony Intsony ny Rahalahy Andrey Suvorkov

Namoaka didy ny fitsarana ambony ao Kirov, tamin’ny 13 Aogositra 2019, hoe tsy ambenana ao an-tranony intsony ny Rahalahy Andrey Suvorkov, izay 26 taona. Na izany aza dia mbola tsy nesorina ny fiampangana azy ho mpanao heloka bevava.

Araka ny tatitra teo aloha, dia nanao bemidina tany amin’ny trano 19 tao Kirov ny polisy sy ny polisy manokana misaron-tava, tamin’ny 9 Oktobra 2018. Tamin’izay no nosamborina ny Rahalahy Suvorkov sy ny raikeliny ary ny rahalahy anankitelo.

Mitantara ny zavatra tsapany tamin’ny fotoana nisavana ny tranony ny Rahalahy Suvorkov. Hoy izy: “Tsy dia nalahelo izahay mivady rehefa nalaina ny zava-tsarobidy tao an-tranonay satria efa niezaka nanatsotra fiainana foana izahay ary niezaka tsy niraiki-po tamin’ny vola sy ny harena. Nanampy anay ho tony ilay torohevitra ao amin’ny Matio 6:21 hoe: ‘Fa any amin’izay misy ny harenanao, dia ho any koa ny fonao.’”

Taorianan’ilay bemidina nataon’ny polisy dia nampangaina ho nanao heloka bevava ny Rahalahy Suvorkov sy ny raikeliny ary ireo rahalahy anankitelo. Nampangaina izy ireo satria nihira ny hiran’ilay Fanjakana sy nianatra boky ara-pivavahana ary nanana Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny rosianina. Napetraka tao amin’ny toerana iray aloha izy rehetra, ary niandry hoe hafahan’ny fitsarana ve izy ireo sa hotanana am-ponja vonjimaika.

Mitantara ny zavatra niainany ny Rahalahy Suvorkov. Hoy izy: “Nijanona roa alina tao amin’ilay toerana niambenana anay aho. Tsy nitsahatra nivavaka mihitsy aho tamin’ny voalohany satria fantatro hoe tena mihaino sy manohana ahy i Jehovah. Niezaka nitadidy ny hiran’ilay Fanjakana aho dia ireny no nohiraiko. Nahatadidy hira 50 mahery miaraka amin’ny tonony aho!”

Namoaka didy ny fitsarana hoe tanana am-ponja vonjimaika ny Rahalahy Suvorkov sy ny namany. Niezaka nanampy olona foana ny Rahalahy Suvorkov nandritra ny herinandro voalohany nigadrany tany. Hoy izy: “Notononiko ny anaran’ny mpiara-manompo rehefa nivavaka aho ary nandefasako taratasy mampahery izay tadidiko ny adiresiny. Nahafaly ahy izany.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Afaka volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia tsy notanana am-ponja vonjimaika intsony izy ireo fa nambenana any an-tranony, ankoatra ny Rahalahy Andrzej Oniszczuk. Ny Rahalahy Suvorkov no voalohany tsy nambenana any an-tranony intsony, tamin’ireo rahalahy tao Kirov.

Hoy ny Rahalahy Suvorkov: “Rehefa manao jery todika an’ireny rehetra ireny aho dia tena faly be hoe nigadra. ... Tsy haiko mihitsy izay havoakan’ny ampitso ary tsy haiko koa raha mbola higadra indray aho na tsia. Matoky aho izao hoe tena hanohana ahy foana i Jehovah sy ny fandaminany na higadra aza aho. Tsy matahotra ny higadra intsony aho.”