Hijery ny anatiny

Ankavanana: Sasany amin’ireo boky sy gazety navoaka tao anatin’ny 75 taona. Ambony Afovoany: Sarin’ny Rahalahy Charles Taze Russell, tamin’izy nitsidika an’i Ceylan, izay niantsoana an’i Sri Lanka taloha. Ambany Afovoany: Mpitory mitory amin’ny fiteny cinghalais

7 FEBROARY 2023
SRI LANKA

Dimy Amby Fitopolo Taona Namoahana Boky Amin’ny Fiteny Cinghalais

Dimy Amby Fitopolo Taona Namoahana Boky Amin’ny Fiteny Cinghalais

Feno 75 taona amin’ity taona 2023 ity ny nandikan’ny Vavolombelon’i Jehovah boky ara-baiboly ho amin’ny fiteny cinghalais. Io no fiteny be mpampiasa indrindra any Sri Lanka.

Boky tamin’ny fiteny anglisy ihany no navoaka tany Sri Lanka tamin’ny voalohany, satria ny teny anglisy no teny ofisialy nandritra ny fanjanahan-tany. Navoaka tamin’ny 1948 anefa ny boky voalohany amin’ny fiteny cinghalais. Tsy inona izany fa ilay bokikely hoe Fifaliana ho An’ny Olona Rehetra. Nitombo avo roa heny mahery ny isan’ny mpitory tany Sri Lanka, taorian’ny nivoahan’io bokikely io, izany hoe 12 lasa 25.

Rahalahy Lett namoaka ny Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, amin’ny fiteny cinghalais

Tamin’ny 1953 indray no nivoaka tamin’ny fiteny cinghalais ilay bokikely hoe Antony Inoana fa Hisy ny Tontolo Vaovao sy ilay boky hoe Ny Marina Hahafaka Anareo Tsy ho Andevo. Nisy fotoana niavaka momba ny asa fandikan-teny indray taona vitsivitsy taorian’izay, izany hoe tamin’ny Martsa 1958. Tamin’izay no navoaka tamin’ny teny cinghalais Ny Tilikambo Fiambenana voalohany tamin’io fiteny io.

Tamin’ny 2009 no fotoana niavaka indrindra ho an’ny fandikan-teny cinghalais. Nitsidika an’i Sri Lanka mantsy ny Rahalahy Stephen Lett, anisan’ny Filan-kevi-pitantanana, tamin’io taona io. Tamin’izay izy no namoaka Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny cinghalais.

Hoy ny rahalahy iray nanatrika ny namoahana an’ilay Baiboly: “Tena nankasitraka lalina an’i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe Indrindra, aho rehefa nahazo an’ilay Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny cinghalais. Mora vakina sy mora azo ilay fandikan-teny, dia lasa tsotra amiko ny mahita hoe ahoana no hampiharako an’izay ianarako ao.”

Mpandika teny cinghalais ao amin’ny biraon’ny sampana

Hita hoe tahin’i Jehovah ireo mpitory 4 839 manompo ao amin’ny fiangonana 63 miteny cinghalais, ary ireo mpitory 7 121 any Sri Lanka. Fantatsika hoe mbola hotahin’i Jehovah foana izy ireo, satria mampiasa ny “fiteny madio” sy mampianatra an’izany.​—Zefania 3:9.