Hijery ny anatiny

25 NOVAMBRA 2021
SRI LANKA

Orana Mikija Nandravarava An’i Sri Lanka

Orana Mikija Nandravarava An’i Sri Lanka

Nisy oram-be nivatravatra sy rivo-mahery tany Sri Lanka, nandritra ny volana Novambra 2021. Nisy tondra-drano sy tany nihotsaka vokatr’izany, ka betsaka ny zavatra simba.

Vokatr’ilay izy tamin’ny mpiara-manompo

  • Tsy nisy rahalahy sy anabavy naratra na maty

  • Fianakaviana 57 no nafindra toerana

  • Trano 15 no nisy simba kely

  • Trano 4 no simba be

Fanampiana tra-boina

  • Nandamina ny fanampiana an’ireo rahalahy sy anabavy tra-boina ny Komitin’ny Vonjy Rano Vaky. Fianakaviana 52 àry no afaka niverina tao amin’ny tranony indray rehefa avy nodiovina ny tranony

  • Ny fiangonana teo an-toerana no nanampy an’ireo fianakaviana 5 ambiny mba hahita trano vonjimaika

  • Mbola manohy mampahery an’ireo mpitory tra-boina ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy any an-toerana

  • Manaraka ny toromarika momba ny fiarovana amin’ny COVID-19 ireo mikarakara fanampiana tra-boina

Fantatsika fa ‘hampionona sy hampitony’ an’ireny rahalahy sy anabavintsika ireny foana i Jehovah, mandritra an’izao andro farany feno loza izao.​—Salamo 94:19.