Hijery ny anatiny

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Mitsidika ny Olona Efa Manana ny Fivavahany?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Mitsidika ny Olona Efa Manana ny Fivavahany?

 Hitanay fa tia miresaka momba ny Baiboly ny olona efa manana ny fivavahany. Manan-jo hanana finoana tsy mitovy amin’ny anay ny olona, ary manaja an’izany izahay. Tsy terenay hanaiky ny zavatra torinay koa ny olona.

 Rehefa miresaka momba ny fivavahana izahay, dia miezaka mampihatra ny torohevitry ny Baiboly mba hanao an’izany “amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina.” (1 Petera 3:15) Efa ampoizinay hoe handa ny zavatra torinay ny olona sasany. (Matio 10:14) Tsy ho hitanay anefa hoe handa sa hanaiky ny olona iray raha tsy miresaka aminy aloha izahay. Miova koa ny toe-javatra misy ny olona.

 Mety ho sahirana, ohatra, izy amin’ny andro iray fa ho vonona hiresaka kosa amin’ny manaraka. Mety hanana olana tampoka koa izy, na miova ny fiainany, ka lasa liana amin’izay lazain’ny Baiboly izy. Miezaka miverimberina any amin’ny olona àry izahay.