Hijery ny anatiny

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandeha Miady?

Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no Tsy Mandeha Miady?

 Tsy mandeha miady ny Vavolombelon’i Jehovah, noho ireto antony ireto:

  1.   Mankatò an’Andriamanitra. Milaza ny Baiboly fa “hanefy ny sabany ho angadinomby” ny mpanompon’Andriamanitra, sady “tsy hianatra ady intsony.”​—Isaia 2:4.

  2.   Mankatò an’i Jesosy. Nilaza tamin’ny apostoly Petera i Jesosy hoe: “Avereno amin’ny tranony ny sabatrao, fa ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.” (Matio 26:52) Nasehon’i Jesosy àry fa tsy tokony hampiasa fitaovam-piadiana ny mpanara-dia azy.

     Nandidy ny mpianany koa i Jesosy hoe tsy tokony ho “anisan’izao tontolo izao” izy ireo. Mankatò an’izany izy ireo ka tsy midikiditra amin’ny politika mihitsy. (Jaona 17:16) Tsy toherin’izy ireo koa ny zavatra ataon’ny miaramila, ary tsy sakanan’izy ireo izay te hanao miaramila.

  3.   Tia ny hafa. Nandidy ny mpianany mba ‘hifankatia’ i Jesosy. (Jaona 13:34, 35) Lasa toy ny fianakaviana iray maneran-tany àry izy ireo, ka tsy handeha hiady mihitsy mba hamonoana ny rahalahiny sy ny anabaviny.​—1 Jaona 3:10-12.

  4.   Manahaka an’ireo Kristianina voalohany. Hoy Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana sy ny Ady (anglisy): ‘Tsy nety nandeha niady sy nanao miaramila ny mpianatr’i Jesosy voalohany, satria nampianariny hifankatia sy ho tia ny fahavalony.’ Nilaza koa ilay teolojianina alemà atao hoe Peter Meinhold fa tsy nety tamin’ny mpianatr’i Jesosy voalohany mihitsy “ny hoe sady Kristianina no miaramila.”

Manasoa ny fiaraha-monina

 Tena manampy mba hampandeha tsara ny fiaraha-monina ao amin’ny tany misy azy ny Vavolombelon’i Jehovah, sady tsy mampidi-doza. Manaja ny manam-pahefana izahay, satria mankatò an’ireto toro lalan’ny Baiboly ireto:

  •   ‘Ekeo ny manam-pahefana.’​—Romanina 13:1.

  •   “Aloavy amin’i Kaisara àry izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”​—Matio 22:21.

 Mankatò lalàna àry izahay, mandoa hetra, ary manaiky ny ezaka ataon’ny fanjakana mba hanasoavana ny vahoaka.