Hijery ny anatiny

Misy Vehivavy Mitory Teny ve ao Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Misy Vehivavy Mitory Teny ve ao Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Eny. Mpitory daholo ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, anisan’izany ny vehivavy an-tapitrisany. Efa voalazan’ny Baiboly hoe ho “tafika lehibe ny vehivavy manambara ny vaovao tsara.”—Salamo 68:11.

 Manahaka an’ireo vehivavy resahin’ny Baiboly ny vehivavy Vavolombelon’i Jehovah. (Ohabolana 31:10-31) Tsy mitondra ny fiangonana izy ireo. Mazoto mitory anefa izy ireo, ary mampianatra Baiboly an’ireo zanany. (Ohabolana 1:8) Miezaka mafy izy ireo mba handrisika ny olona hanao ny tsara, tsy amin’izay lazainy ihany, fa amin’ny ataony koa.—Titosy 2:3-5.