Hijery ny anatiny

Nampahery ny Hafa Izy na dia Narary Aza

Nampahery ny Hafa Izy na dia Narary Aza

 Vavolombelon’i Jehovah i Clodean ary mipetraka any Afrika Atsimo. Niditra hopitaly izy satria nisy fandidiana lehibe tsy maintsy hatao aminy. Betsaka ny aretina nahazo azy sady tena nanahirana, ka maintsy nisafidy tamina karazana fitsaboana maromaro izy. Reraka sy nanaintaina ary niady saina izy, na talohan’ilay fandidiana izany na taorian’ilay izy. Mbola tsy nahavita nipetraka izy, na dia efa ho roa volana sy tapany aza no nodiany tany an-trano. Tsy afaka nandray mpamangy koa izy noho ilay valanaretina COVID-19.

 Tapa-kevitra ny tsy hitsetra tena anefa i Clodean, ka nangataka hery tamin’Andriamanitra mba hahavitany mampahery ny hafa. Vao nahavita nipetraka àry izy dia nataony izay hifandraisana tamin’ny zandrin’ilay vehivavy mpiray tanàna aminy. Efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy io taloha fa avy eo nijanona. Niresahany hevitra mampahery avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ilay vehivavy, ka lasa te hiverina hianatra indray. Nohazavain’i Clodean taminy koa hoe nahoana no mahasoa ny manatrika fivoriana, sady nataony azo antoka hoe afaka manaraka fivoriana amin’ny alalan’ny vidéoconférence ilay mpianany. Nanatrika tokoa ilay vehivavy sady nanome valin-teny mihitsy aza nandritra ny fiaraha-midinika iray.

 Niresaka tamin’ny zandrin’io mpianany io i Clodean tatỳ aoriana. Te hianatra Baiboly koa mantsy izy io. Niteny tamin’i Clodean mihitsy aza izy hoe misy olon-kafa mety ho liana amin’ilay fianarana koa. Inona no vokany? Lasa nisy vehivavy efatra fanampiny nanomboka nianatra Baiboly tamin’i Clodean. Mbola tsy tapitra hatreo anefa ilay tantara!

Clodean

 Tsara fanahy be amin’ny olona i Clodean, ka mbola nahazo mpianatra Baiboly folo fanampiny izy tao anatin’ilay valanaretina. Vehivavy 16 be izao àry no ampianariny! Efa manatrika fivoriana tsy tapaka amin’ny alalan’ny vidéoconférence izao ny sasany amin’ireo. Variana manampy ny hafa hianatra momba an’i Jehovah i Clodean ka lasa tsy mifantoka be amin’ny zavatra mahazo azy. Tsapany koa hoe nampahery azy tao anatin’ny fitsapana nahazo azy i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra”, dia izany no nahavitany nampahery ny hafa.​—2 Korintianina 1:3, 4.

 Ahoana ny fihetseham-pon’ny mpianatr’i Clodean momba ny zavatra nianarany? Izao no lazain’ny iray amin-dry zareo: “Be dia be ny soa azoko, fa ny tena lehibe indrindra dia hoe lasa fantatro ny anaran’Andriamanitra. Tena nanampy ahy ho akaiky an’i Jehovah izany.” Ilay vehivavy voalohany niresahan’i Clodean indray efa manantena ny hatao batisa tsy ho ela. Tena mahafaly an’i Clodean ireo zavatra niainany ireo. Efa sitrana tsara tamin’ilay fandidiana natao taminy koa izy.