Hijery ny anatiny

Nijanona Izy Ireo dia Nanampy

Nijanona Izy Ireo dia Nanampy

 Nitondra fiara i Bob, mipetraka any Alberta, any Kanada, ary nandeha 100 kilaometatra isan’ora teo ho eo. Nangatsiaka be tamin’izay sady ratsy be ny andro nefa vaky tampoka ny pne ankavia tao aoriana. Tsy fantatr’i Bob aloha, tamin’izay, hoe vaky pne ilay fiara ka tsy nieritreritra ny hijanona izy. Efa dimy kilaometatra niala teo koa ny tranony.

 Notantarain’i Bob hoe inona no nitranga avy eo. Izao no nosoratany tao amin’ny taratasy nalefany tany amin’ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikiny: “Nisy fiara nandeha teo anilako ary tanora dimy mianadahy no tao anatiny. Nampidinin’izy ireo ny fitaratra ka nolazainy tamiko hoe vaky ny pnen’ilay fiarako. Naka sisiny izahay dia niteny izy ireo hoe hosoloany ilay pne. Tsy haiko akory na nisy krika sy pne asolo an’ilay vaky tao na tsia. Nipetraka teo amin’ny seza mikorisa ampiasaiko aho fa ry zareo no niondrika tao ambany fiarako tao nitady an’ilay pne sy krika, dia nosoloany ilay pne vaky. Nangatsiaka be tamin’izay sady nirotsaka ny lanezy. Nosoloany ihany anefa ilay pne na dia nanao akanjo mihaja aza ry zareo, dia afaka nanohy ny diako aho. Tsy ho vitako irery ny nanao an’izany.

 Te hisaotra anareo aho tamin’ny nataon’izy dimy mianadahy tamiko. Teny an-dalana handeha ho any an-tranon’olona ry zareo mba hitory. Tena mampihatra ny zavatra toriny ry zareo. Misaotra betsaka azy ireo satria raha tsy teo ry zareo dia azoko antoka fa tafajanona ela be teo aho. Tsy nampoiziko hoe misy anjely manampy olona hoatr’izany eny amin’ny arabe eny amin’izao.”