Hijery ny anatiny

Saika Hamono Tena Nefa Avotra Ihany!

Saika Hamono Tena Nefa Avotra Ihany!

NANDONDÒNA teo amin’ny varavarana iray ny Vavolombelon’i Jehovah roa, rehefa nitory isan-trano. Lehilahy kivy be no nanokatra ny varavarana. Nisy tady nihantona tao aoriany, teo ambony tohatra.

Nampandrosoin’ilay lehilahy ireo Vavolombelona. Rehefa nanontany izy ireo hoe hatao inona ilay tady, dia namaly ilay lehilahy hoe efa handeha hananton-tena izy. Nisy nandondòna anefa ka nanapa-kevitra izy hoe hanokatra farany ny varavarana. Nampisaintsainin’ireo Vavolombelona izy, ary nentin’izy ireo tany amin’ny dokotera, izay nanampy azy.

Nivoaka an-gazety tany Belzika io tantara io. Tsy tamin’izay ihany anefa no nisy Vavolombelon’i Jehovah nanavotra olona saika hamono tena. Diniho ireto tantara ireto:

Hoy ny vehivavy iray any Gresy: “Diso fanantenana be tamin’ilay lehilahy niarahako aho, dia lasa kivy be. Narary loatra ny foko, ka nieritreritra aho hoe aleo mamono tena. Vao nieritreritra an’izany fotsiny aho dia efa nahatsiaro ho maivamaivana. Tiako hitsahatra ny fijaliako.”

Tsy namono tena anefa izy, fa nitady fanampiana tamin’ny dokotera. Nitady Vavolombelon’i Jehovah koa izy taoriana kelin’izay, ary nanomboka nianatra Baiboly sy nivory. Hoy izy: “Nahatsapa an’ilay tena fitiavana notadiaviko hatramin’ny ela aho rehefa niaraka tamin’ireo ranadahy sy rahavavy. Nahazo namana azoko itokisana aho, mahatsapa ho tony sy falifaly, ary tsy manahy momba ny hoavy.”

Nitantara toy izao ny Vavolombelona iray any Angletera: “Nisy olom-pantatro kivy be niantso ahy an-telefaonina ary nilaza hoe hamono tena izy amin’io alina io. Nampiasa an’ilay lahatsoratra momba ny famonoan-tena tao amin’ny Mifohaza! Mey 2008 aho, mba hampisaintsainana azy sy hampaherezana azy amin’ny alalan’ny Baiboly. Tsy te hamono tena intsony izy izao, na dia mbola manana olana aza.”

Tafaresaka tamin’ny vehivavy iray mpitondra entana hamidy tao am-piasany ny Vavolombelon’i Jehovah iray atao hoe Michael, any Ghana. Hitany hoe kivy be ilay vehivavy indray mandeha, ka nanontaniany hoe: “Fa misy inona?”

Nilaza izy hoe te hamono tena satria tsy tia azy intsony ny vadiny sady efa miaraka amin’ny vehivavy hafa. Nampahery azy i Michael ary nanome azy boky roa manazava ny Baiboly. Nisakana an’ilay vehivavy tsy hamono tena ny zavatra novakiny tao amin’ireo boky. Nianatra Baiboly izy ary lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Nivoaka an-gazety tany Etazonia kosa ity tantara ity: Voamariky ny tovolahy Vavolombelona iray, teny am-pitoriana, hoe nisy fiara iray nijanona nefa velona ny maoterany.

Nilaza ilay tovolahy hoe nisy fantsona napetaka tamin’ny fivoahan-tsetrok’ilay fiara ary niditra teo amin’ny fitaratr’ilay fiara. Nasiana scotch ilay fitaratra mba tsy hisy rivotra ho tafiditra mihitsy.

Hoy ilay tovolahy: “Nihazakazaka nankeo amin’ilay fiara aho, ary nijery teo amin’ny varavarankely. Feno setroka tao anatin’ilay fiara ary nisy vehivavy nitomany tao. Niantsoantso aho hoe: ‘Fa inona ity ataonao?’

“Efa hanokatra ny varavarana aho vao nahita hoe hay nisy ankizikely anankitelo tao amin’ny seza tao aoriana. Novohako ilay varavarana, ary nilaza ilay vehivavy hoe: ‘Tsy maintsy mandeha aho! Tsy maintsy mandeha! Dia tsy maintsy entiko manaraka ahy ny zanako.’

“Niangavy azy aho hoe: ‘Aza manao an’izao! Tsy vahaolana mihitsy ange izao e!’

“Namaly izy hoe: ‘Tsy maintsy mankany an-danitra aho, ary tsy maintsy entiko manaraka ahy ny zanako.’

“Mbola nitomany teo ihany izy. Nandohalika aho ary latsa-dranomaso koa. Niteny indray aho hoe: ‘Aza manao an’izao re e!’ Nanatona azy aho avy eo, ary nosakambiniko izy sady nosintoniko moramora hivoaka an’ilay fiara.

“Niantsoantso izy avy eo hoe: ‘Vonjeo ny zanako!’

“Nanatsotra ny tanany mba horaisiko izy telo dahy. Efa-taona sy dimy taona izy mirahavavy kely, ary roa taona ilay lahikely. Nipetraka fotsiny tsy niteny tao aoriana tao ry zareo, tsy nahalala akory hoe efa saika maty raha nisy kely foana.

“Novonoiko ny maotera rehefa tafavoaka izy efatra. Nipetraka teo ambony tamboho vato ivaiva izahay dimy avy eo, dia niteny aho hoe: ‘Tantarao ahy izay mahazo anao.’”

Fanomezana sarobidy avy amin’ny Mpamorona ny aina, amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miezaka ny Vavolombelona maneran-tany mba hanampy an’ireo mitady hamono tena sy hampahery an’ireo nanana havana namono tena.