Hijery ny anatiny

Ampiasain’ny Sekoly Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Ampiasain’ny Sekoly Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Navoaka tamin’ny teny pangasinan ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, tamin’ny 2012. Manampy ny mpianatra any Philippines mampiasa an’io fiteny io ilay boky. Mahafeno tsara ny fepetra takin’ny Ministeran’ny Fampianarana any Philippines ilay boky satria tokony hatao amin’ny fitenin-drazan’ny mpianatra ny fampianarana amin’ny ambaratonga voalohany.

Fiteny 100 mahery no ampiasaina any Philippines, ary efa hatramin’ny ela no niadian-kevitra ny hoe inona no fiteny hampiasaina any am-pianarana. Nanaiky ny Ministeran’ny Fampianarana, tamin’ny 2012, hoe “miana-javatra haingana kokoa” ny ankizy raha izay “fiteny ampiasainy any an-tranony” no ampiasaina any am-pianarana. Tapaka àry ny hevitra fa hatao amin’ny fiteny maromaro fampiasa any ny programa any am-pianarana.

Anisan’ireo fiteny voafidy ny pangasinan. Nilaza anefa ny talen’ny sekoly iray fa vitsy kely ny boky azon’ny mpianatra vakina amin’io fiteny io. Tonga ara-potoana àry ny namoahan’ny Vavolombelon’i Jehovah an’ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly amin’ny teny pangasinan. Nivoaka tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’ny Novambra 2012 ilay boky.

Iray alina teo ho eo no nozaraina tany amin’ireo fivoriambe. Faly be ny ankizy sy ny ray aman-dreniny satria nahazo boky tamin’ny fitenin-drazany. Nisy mpivady niteny hoe: “Tian’ny zanakay ilay izy satria tena azony tsara.”

Raha vao vita ilay fivoriambe, dia nisy Vavolombelona vitsivitsy nitondra Ny Bokiko tany amin’ny sekoly iray any Dagupan. Faly be ireo mpampianatra tany satria efa nisahirana nitady boky tamin’io fiteny io izy ireo. Boky 340 mahery no nomena azy ireo. Tonga dia nampiasain’ireo mpampianatra ireo ilay izy mba hampianarana ny ankizy hamaky teny amin’ny fitenin-drazany.

Faly ny Vavolombelon’i Jehovah satria ahafahana mampianatra ny ankizy io boky io. Hoy ny iray amin’ireo nanampy tamin’ny fandikana Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly: “Efa fantatray hatry ny ela hoe manohina ny fon’ny olona izay zavatra vakiny amin’ny fitenin-drazany. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hiezaka mafy mba handika Baiboly sy boky ara-baiboly ho amin’ny fiteny an-jatony.”