Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

AspctStyle/stock.adobe.com

FANASANA FAHATSIAROVANA

Hataon’i Jesosy Tsy Misy Intsony ny Ady

Hataon’i Jesosy Tsy Misy Intsony ny Ady

 Nasehon’i Jesosy hoe tena tia olona izy, tamin’izy teto an-tany. Nafoiny ho an-dry zareo mihitsy aza ny ainy. (Matio 20:28; Jaona 15:13) Hasehon’i Jesosy indray tsy ho ela hoe tena tiany ny olona. Efa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra mantsy izy izao, dia ‘hataony tsy misy ady intsony eran-tany.’​—Salamo 46:9.

 Jereo hoe inona no lazain’ny Baiboly fa hataon’i Jesosy:

  •   “Hovonjeny ny mahantra miantso vonjy, sy ny madinika, ary izay rehetra tsy mba misy manampy. Hiantra ny madinika sy ny mahantra izy, ary hamonjy ny ain’ny mahantra. Hanafaka azy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy.”​—Salamo 72:12-14.

 Ahoana no ampisehoantsika hoe ankasitrahantsika izay efa nataon’i Jesosy sy izay mbola hataony ho antsika? Nasain’i Jesosy hahatsiaro ny nahafatesany ny mpanara-dia azy, ao amin’ny Lioka 22:19. Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hiara-mivory isan-taona, rehefa mitsingerina ny andro nahafatesan’i Jesosy. Manasa anao izahay mba hiara-mankalaza aminay ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy, amin’ny alahady 24 Martsa 2024.

Hikaroka Fahatsiarovana