Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahmad Gharabli/AFP via Getty Images

MIAMBENA FOANA!

Mahavita Miara-misoroka ny Loza Ateraky ny Toetrandro Ratsy ve ny Firenena?

Mahavita Miara-misoroka ny Loza Ateraky ny Toetrandro Ratsy ve ny Firenena?

 Vita tamin’ny alahady 20 Novambra 2022 ny COP27, izany hoe ny Fivoriana Fanaon’ny Firenena Mikambana Momba ny Fiovan’ny Toetrandro. Tapaka tamin’izay fa homena vola ny firenena matetika tra-boina, mba hiatrehan-dry zareo ny loza vokatry ny toetrandro. Samy miaiky anefa ry zareo hoe tsy mahavaha ny tena fototr’ilay olana izany.

  •   “Faly aho tamin’ilay fanapahan-kevitray hoe hanokana vola hanampiana an’izay tra-boina vokatry ny toetrandro ratsy”, hoy i António Guterres, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, tamin’ny 19 Novambra 2022. “Tsoriko anefa fa tsy ampy izany . . . Mila vonjy maika ny tanintsika.”

  •   “Mbola hisy loza mahatsiravina eto an-tany atsy ho atsy, vokatry ny toetrandro ratsy.”​—Mary Robinson, filoham-pirenen’i Irlandy taloha sady Ambasadaoro ho An’ny Zon’olombelona UN taloha, 20 Novambra 2022.

 Ny tanora no tena manahy ny amin’ny hoavin’ity tanintsika ity. Afaka miara-miasa mba hisorohana ny vokatry ny toetrandro ratsy araka ny nampanantenainy ve anefa ny firenena? Inona no lazain’ny Baiboly?

Hahomby ve ny firenena?

 Marina aloha hoe manao ezaka be ny firenena eran-tany amin’izao hamahana an’io olana io. Milaza anefa ny Baiboly fa tsy hahavita hamaha tanteraka an’ilay olana vokatry ny toetrandro ratsy ry zareo. Jereo ireto antony roa ireto:

  •   “Izay mibilaka dia tsy azo ahitsy.”​—Mpitoriteny 1:15.

     Inona no dikan’izany? Voafetra ny zava-bitan’ny fanjakana, satria tsy natao hifampitondra ny olombelona. (Jeremia 10:23) Mety hoe mahavita miara-miasa ny firenena, kanefa tsy mbola hahavita hamaha ny olana eto amin’izao tontolo izao mihitsy na hiezaka hoatran’ny inona aza.

  •   “Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, . . . tsy ho azo ifanarahana.”​—2 Timoty 3:2, 3.

     Inona no dikan’izany? Efa nilaza mialoha ny Baiboly fa ho tia tena ny ankamaroan’ny olona amin’izao androntsika izao, ka tsy te hiara-hiasa mba hanatsarana ny fiainan’ny olon-kafa.

Misy fanantenana anefa

 Tsy miankina amin’ny zavatra ampanantenain’ny fanjakan’olombelona anefa ny hoavin’ny tanintsika. Efa nanome Mpitondra mahay Andriamanitra, dia i Jesosy Kristy. Hitondra maneran-tany izy, ary izao no lazain’ny Baiboly momba azy:

  •   “Ho eo am-pelatanany ny fitondrana. Ny anarany hatao hoe Mpanolo-tsaina Mahagaga, Andriamanitra Mahery, Ray Mandrakizay, Andrianan’ny Fiadanana.”​—Isaia 9:6, fanamarihana ambany pejy.

 I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary any an-danitra io fitondrana io. (Matio 6:10) Manana hery sy fahendrena hikarakarana ny tanintsika sy ny mponina eto izy, sady tena te hanao an’izany. (Salamo 72:12, 16) Rehefa mitondra io fitondrana any an-danitra io, dia tsy hisy havelany ‘hanimba ny tany’ intsony, ary haveriny amin’ny laoniny indray ny tontolo iainana eto.​—Apokalypsy 11:18; Isaia 35:1, 7.

 Raha tianao ny hahafantatra hoe inona no tena vahaolana amin’ny loza vokatry ny fiovaovan’ny toetrandro, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiovan’ny Toetrandro sy ny Hoavintsika.”