Petera Voalohany 5:1-14

  • Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra (1-4)

  • Manetre tena ary miambena (5-11)

    • Apetraho amin’Andriamanitra daholo izay mampanahy (7)

    • Toy ny liona mierona ny Devoly (8)

  • Teny famaranana (12-14)

5  Koa satria izaho anti-panahy koa, sy vavolombelona nahita ny fijalian’i Kristy sady anisan’ny hahazo an’ilay voninahitra efa haharihary,+ dia miangavy* an’ireo anti-panahy* eo aminareo aho hoe:  Andraso ny andian’ondrin’Andriamanitra+ eo ambany fiandraiketanareo, ka ataovy ny asan’ny mpiandraikitra.* Tsy an-tery anefa no tokony hanaovana an’izany, fa an-tsitrapo eo anatrehan’Andriamanitra,+ tsy noho ny fitiavana tombony azo amin’ny tsy marina,+ fa noho ny fahazotoana,  ary tsy ho mpanjakazaka amin’ny lovan’Andriamanitra,+ fa ho modely ho an’ny andian’ondry.+  Dia hahazo satroboninahitra tsy mety malazo ianareo+ rehefa aseho ilay lehiben’ny mpiandry.+  Ary ianareo tanora koa, maneke ny zokiolona.*+ Fa ianareo rehetra kosa mitafia* fanetren-tena rehefa mifandray ianareo samy ianareo, satria manohitra ny manambony tena Andriamanitra, fa maneho hatsaram-panahy miavaka amin’ny manetry tena.+  Koa manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra, mba hanandratany anareo amin’ny fotoana voatondrony,+  ary apetraho aminy daholo izay rehetra mampanahy* anareo,+ satria miahy* anareo izy.+  Aoka ianareo hisaina tsara foana sy hiambina!+ Ny Devoly fahavalonareo mantsy mandehandeha hoatran’ny liona mierona, mitady olona harapaka.+  Tohero anefa izy+ ka manàna finoana matanjaka, satria fantatrareo fa ampijalina toy izany koa ny rahalahinareo* rehetra, eran’izao tontolo izao.+ 10  Rehefa avy nijaly vetivety anefa ianareo, dia hamita ny fampiofanana anareo ilay Andriamanitry ny hatsaram-panahy miavaka rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay,+ noho ianareo tafaray amin’i Kristy. Hanampy anareo ho mafy orina izy,+ sady hanatanjaka anareo,+ ary hataony mifototra tsara ianareo. 11  Ho azy mandrakizay anie ny hery! Amena. 12  Nanoratra teny vitsivitsy ho anareo aho, tamin’ny alalan’i Silvano,*+ izay hitako hoe rahalahy mendri-pitokisana. Nanoratra aho mba hampaherezana anareo sy hanomezana toky anareo fa tena izy ilay hatsaram-panahy miavaka asehon’Andriamanitra aminareo. Aza miala amin’izany hatsaram-panahiny izany mihitsy. 13  Mampamangy, hono, ianareo, hoy ilay eto Babylona, ilay voafidy hoatr’anareo. Mampamangy koa, hono, ianareo, hoy i Marka+ zanako. 14  Mifampiarahabà amin’ny oroka fanehoam-pitiavana. Enga anie hahazo fiadanana ianareo rehetra tafaray amin’i Kristy!

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “mampirisika.”
Na: “ka ambeno tsara ilay andian’ondry.”
Na: “anti-panahy.”
Na: “misikìna.”
Na: “mampiady saina; mampitebiteby.”
Na: “mikarakara.”
Na: “ny mpiray finoana aminareo.”
Antsoina koa hoe Silasy.