Korintianina Faharoa 7:1-16

  • Hanadio ny tenantsika ho afaka amin’izay mandoto (1)

  • Nahafaly an’i Paoly ny Korintianina (2-4)

  • Nitantara zavatra tsara i Titosy (5-7)

  • Alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra sy fibebahana (8-16)

7  Koa satria nahazo an’izany fampanantenana izany isika,+ ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’izay rehetra mandoto ny vatana* sy ny saina,+ ka hiezaka mafy ho masina tanteraka sady hatahotra an’Andriamanitra.  Asio toerana ho anay ao am-ponareo.+ Tsy nanisy ratsy olona izahay, na nahatonga olona ho ratsy toetra, na nanararaotra olona.+  Tsy ny hanamelohana anareo no ilazako an’izany. Efa nilaza aho mantsy teo aloha hoe ato am-ponay foana ianareo, na maty izahay na velona.  Tena miresaka aminareo amim-pahatsorana aho. Ary tena reharehako ianareo. Nahazo fampiononana lehibe aho, ary faly be na dia eo aza ny fahoriana rehetra manjo anay.+  Tsy mba nilamindamina mihitsy izahay,* raha ny marina, rehefa tonga teto Makedonia,+ fa mbola nampahorina tamin’ny lafiny rehetra foana: Nisy ady teny ivelany ary tahotra tao anatiny.  Nampionona anay anefa Andriamanitra, izay mampionona an’ireo kivy,+ rehefa nitsidika anay* i Titosy.  Nahazo fampiononana izahay, tsy hoe tamin’izy teo ihany, fa rehefa nahazo fampiononana koa izy noho ianareo. Notantarainy taminay hoe te hahita mafy ahy ianareo, sady malahelo be, ary tena mitady izay hahasoa ahy, ka vao mainka faly aho.  Fa tsy manenina aho na dia nampalahelo anareo aza ny taratasy nosoratako.+ Na dia nanenina aza aho tamin’ny voalohany,—rehefa hitako fa nampalahelo anareo ilay taratasy, na dia vetivety ihany aza—  dia faly aho izao, satria tsy hoe nahatonga anareo halahelo fotsiny ilay izy, fa izany alahelo izany koa no nahatonga anareo hibebaka. Fa lasa nalahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra ianareo, ka tsy nisy vokany ratsy taminareo ny zavatra nolazainay. 10  Ny alahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra mantsy mahatonga ny olona hibebaka sy ho voavonjy, ary tsy anenenana izany.+ Ny alahelon’izao tontolo izao kosa mahatonga fahafatesana. 11  Tena niezaka be ianareo rehefa lasa nalahelo araka ny sitrapon’Andriamanitra, ka nasehonareo hoe afa-tsiny ianareo, sady tezitra noho ilay tsy nety natao, natahotra, te hiova mafy, nafana fo, ary nanitsy an’ilay zavatra tsy nety.+ Nasehonareo tamin’ny lafiny rehetra fa madio* tamin’iny raharaha iny ianareo. 12  Na dia nanoratra ho anareo aza aho, dia tsy ho an’ilay nanao ratsy+ na ho an’ilay nasian-dratsy no nanoratako, fa mba hiharihary kosa eo aminareo sy eo imason’Andriamanitra hoe mazoto mihaino anay ianareo. 13  Izany no nampionona anay. Ankoatra ny fampiononana azonay anefa, dia vao mainka faly be izahay satria faly i Titosy. Namelombelona azy mantsy ianareo rehetra. 14  Fa tsy nisy nahamenatra ahy raha nirehareha momba anareo taminy aho. Marina ny zava-drehetra nolazainay taminareo, ary marina hoatr’izany koa ny zavatra nireharehanay tamin’i Titosy. 15  Vao mainka koa izy miraiki-po aminareo rehefa mahatsiaro hoe mankatò daholo ianareo,+ ary nandray tsara sy tena nanaja azy.* 16  Ary faly aho fa afaka matoky anareo amin’ny lafiny rehetra.*

Fanamarihana

Abt: “nofo.”
Abt: “ny nofonay.”
Abt: “tamin’ny naha teo an’i.”
Na: “tsy manan-tsiny.”
Na: “nandray tsara azy tamin-tahotra sy hovitra.”
Na mety hoe “afaka ny ho be herim-po amin’ny lafiny rehetra noho ny aminareo.”