Tesalonianina Faharoa 1:1-12

  • Fiarahabana (1, 2)

  • Nihamatanjaka ny finoan’ny Tesalonianina (3-5)

  • Hamaly an’izay tsy mankatò i Jesosy (6-10)

  • Vavaka ho an’ny fiangonana (11, 12)

1  Avy amin’i Paoly sy Silvano* ary Timoty.+ Ho an’ny fiangonana any Tesalonika izay tafaray amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo,  Enga anie ilay Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo mba haneho hatsaram-panahy miavaka* aminareo sy hanome fiadanana anareo!  Tsy maintsy misaotra an’Andriamanitra foana izahay noho ny aminareo, ry rahalahy. Mety izany satria mihamatanjaka be ny finoanareo, ary vao mainka mifankatia be daholo ianareo.+  Ianareo àry no reharehanay+ eo amin’ireo fiangonan’Andriamanitra, noho ianareo miaritra sy manam-pinoana na dia miatrika* fanenjehana sy zava-tsarotra* aza.+  Izany no porofo fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, ka ho azony ekena hoe mendrika ny Fanjakan’Andriamanitra ianareo. Io Fanjakana io no antony iaretanareo fijaliana be.+  Fa tena rariny ny an’Andriamanitra raha hanasazy an’izay mampahory anareo izy.+  Ianareo izay miaritra fahoriana kosa dia hafahana miaraka aminay, rehefa aharihary avy any an-danitra i Jesosy Tompo+ miaraka amin’ny anjeliny mahery,+  ao amin’ny afo midedadeda. Hamaly an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra izy amin’izay, ary hamaly an’izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.+  Hotsaraina izy ireny ka hosazina, izany hoe horinganina mandrakizay,+ dia tsy ho eo anatrehan’ny Tompo intsony sady tsy hahita ny heriny be voninahitra intsony. 10  Rehefa tonga izy amin’izany andro izany, dia homem-boninahitra miaraka amin’ny olony masina, ka ho gaga be daholo izay maneho finoana rehefa mahita azy. Ho anisan’izy ireny koa ianareo satria nino an’izay notorinay. 11  Izany mihitsy no mahatonga anay hivavaka ho anareo foana, mba ho hitan’ilay Andriamanitsika fa mendrika an’ilay fiantsoany+ anareo ianareo. Dia mivavaka koa izahay mba hampiasa ny heriny izy ka hotanterahiny daholo izay tiany, ary hataony mahomby izay ataonareo noho ny finoanareo. 12  Amin’izay dia homem-boninahitra amin’ny alalanareo ny anaran’i Jesosy Tompontsika, ary ho tafaray aminy ianareo, noho ilay hatsaram-panahy miavaka nasehon’ilay Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo.

Fanamarihana

Antsoina koa hoe Silasy.
Jereo F.T.
Na: “miaritra.”
Na: “fahoriana.”