Deoteronomia 6:1-25

  • Tiavo amin’ny fonao manontolo i Jehovah (1-9)

    • “Henoy izao, ry Israely ô” (4)

    • Tokony hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny (6, 7)

  • Aza hadinoina i Jehovah (10-15)

  • Aza mitsapa toetra an’i Jehovah (16-19)

  • Lazao amin’ny taranaka manaraka (20-25)

6  “Izao no didy sy fitsipika ary didim-pitsarana asain’i Jehovah Andriamanitrareo ampianarina anareo, mba harahinareo rehefa miampita any amin’ilay tany halainareo ho anareo ianareo.  Dia amin’izay hatahotra an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo ary ny zafinareo,+ ka hanaraka ny lalàny sy ny didiny rehetra andidiako anareo ianareo mandritra ny androm-piainanareo, mba ho ela velona.+  Dia henoy izao, ry Israely ô, ka araho tsara mba handeha tsara ny fiainanareo, ary ho lasa be dia be ianareo any amin’ilay tany tondra-dronono sy tantely, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo anareo.  “Henoy izao, ry Israely ô: I Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.+  Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo+ ary ny herinao manontolo.*+  Ataovy ao am-ponao ireto teny andidiako anao anio ireto.  Dia alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny* zanakao+ izany ary resaho na rehefa mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na hatory, na mifoha.+  Afatory eo amin’ny tananao izany mba ho fampahatsiahivana ho anao, ary ataovy fehiloha eo amin’ny handrinao.*+  Soraty eo amin’ny tolàm-baravaran’ny tranonao sy eo amin’ny vavahadinao koa izany. 10  “Rehefa entin’i Jehovah Andriamanitrao any amin’ilay tany efa nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razambenao hoe homena anao ianao,+ dia hahazo tanàna lehibe sady tsara tarehy izay tsy naorinao.+ 11  Hahazo trano feno zavatra tsara isan-karazany izay tsy nisasaranao koa ianao, sy lavaka fanangonan-drano tsy nolavahanao, sy tanimboaloboka tsy novolenao, ary hazo oliva tsy nambolenao. Dia hihinana ianao ka ho voky.+ 12  Tandremo anefa sao hadinoinao i Jehovah,+ ilay nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao. 13  I Jehovah Andriamanitrao no tokony hatahoranao,+ izy no tokony hotompoinao,+ ary amin’ny anarany ianao no tokony hianiana.+ 14  Aza manompo andriamani-kafa, dia ny andriamanitr’ireo firenena manodidina anao,+ 15  satria i Jehovah Andriamanitrao izay eo aminao dia Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany.+ Fa raha manompo andriamani-kafa ianao, dia ho tezitra be aminao i Jehovah Andriamanitrao,+ ka haringany ianao dia tsy hisy intsony eny ambonin’ny tany.+ 16  “Aza mitsapa toetra an’i Jehovah Andriamanitrareo,+ hoatran’ny nataonareo tao Masa.+ 17  Araho an-tsakany sy an-davany ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo sy ny fampahatsiahivany ary ny fitsipiny izay nasainy narahinareo. 18  Izay tsara sy mety eo imason’i Jehovah no ataovy mba handeha tsara ny fiainanao, ka hiditra ao amin’ilay tany tsara nianianan’i Jehovah tamin’ny razambenao ianao.+ Dia halainao ho anao izy io, 19  ka horoahinao hiala eo anatrehanao daholo ny fahavalonao, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah.+ 20  “Raha manontany anao ny zanakao any aoriana any hoe: ‘Inona no dikan’ireny fampahatsiahivana sy fitsipika ary didim-pitsarana nandidian’i Jehovah Andriamanitsika anareo ireny?’, 21  dia izao no holazainao aminy: ‘Andevon’i Farao isika tany Ejipta, nefa nentin’i Jehovah nivoaka avy tany tamin’ny herin-tsandriny. 22  Koa nanao famantarana sy fahagagana lehibe i Jehovah mba handripahana an’i Ejipta+ sy Farao ary ny ankohonany manontolo, ary hitan’ny masontsika mihitsy izany.+ 23  Dia navoakany avy tany isika ka nentiny eto mba homeny an’ilay tany efa nianianany tamin’ny razambentsika.+ 24  Nandidy antsika i Jehovah avy eo mba hankatò an’ireo fitsipika rehetra ireo, sady hatahotra an’i Jehovah Andriamanitsika. Handeha tsara foana ny fiainantsika amin’izay,+ dia ho velona foana isika+ hoatr’izao androany izao. 25  Ho olo-marina koa isika, raha mitandrina tsara an’izany didy rehetra izany satria mankatò an’i* Jehovah Andriamanitsika, araka ny didy nomeny antsika.’+

Fanamarihana

Na: “izay rehetra anananao.”
Na: “averimbereno amin’ny; ataovy miditra ao an-tsain’ny.”
Abt: “eo anelanelan’ny masonao.”
Abt: “eo anatrehan’i.”