Isaia 20:1-6

  • Famantarana momba an’izay hanjo an’i Ejipta sy Etiopia (1-6)

20  Tamin’ny taona nanirahan’i Sargona mpanjakan’i Asyria an’i Tartana* ho ao Asdoda,+ dia niady tamin’i Asdoda izy ka namabo azy.+  Niteny tamin’i Isaia+ zanak’i Amoza i Jehovah tamin’izay, hoe: “Mandehana esory ny lamba gony isikinanao, ary alao ny kapa amin’ny tongotrao.” Dia nataon’i Isaia izany, ka nandeha nitanjaka* izy sady tsy nanao kapa.  Dia hoy i Jehovah: “Nandeha nitanjaka sy tsy nanao kapa telo taona i Isaia mpanompoko, mba ho famantarana+ sy fambara momba an’izay hanjo an’i Ejipta+ sy Etiopia.+  Dia ho hoatr’izany koa ny Ejipsianina hatao babo+ sy ny Etiopianina hatao sesitany, na ny ankizilahy na ny lehilahy efa antitra. Hitanjaka sy tsy hanao kapa ary hiseho fitombenana izy ireo rehefa entin’ny mpanjakan’i Asyria, ka ho afa-baraka* i Ejipta.  Dia hihorohoro izy ireo ary hahamenatra azy i Etiopia, ilay fanantenany, sy Ejipta, ilay reharehany.*  Hiteny ny mponin’ilay morontsiraka, amin’izany andro izany, hoe: ‘Jereo ny manjo an’ilay nantenaintsika, dia ilay nihazakazahantsika mba hanampy antsika sy hamonjy antsika tamin’ny mpanjakan’i Asyria! Dia ahoana izao no hahafahantsika handositra?’”

Fanamarihana

Na: “ny mpitari-tafika.”
Na: “zara raha nitafy.”
Abt: “hitanjaka.”
Na: “ilay tsara tarehy ka nahavariana azy.”