Mpitoriteny 9:1-18

  • Mitovy daholo ny hiafaran’ny olon-drehetra (1-3)

  • Ankafizo ny fiainana na dia ho faty aza (4-12)

    • Tsy mahalala na inona na inona ny maty (5)

    • Tsy misy afaka miasa any amin’ny Fasana (10)

    • Sampona amin’ny fotoana tsy ampoizina (11)

  • Tsy raharahian’ny olona sasany ny fahendrena (13-18)

9  Izao àry no hitako, ka nataoko tao am-poko: Samy eo am-pelatanan’ilay tena Andriamanitra ny olo-marina sy ny hendry ary ny asan’izy ireo.+ Samy tsy fantatry ny olombelona na ny fitiavana na ny fankahalana nisy tany aloha tany.  Mitovy daholo ny hiafaran’ny olon-drehetra,+ dia ny olo-marina sy ny ratsy fanahy,+ ny olona tsara toetra sy ny madio ary ny maloto, ary ny manao sorona sy ny tsy manao. Mitovy ihany ny tsara fanahy sy ny mpanota, ary mitovy koa ny maimay hianiana sy izay mitandrina tsara vao mianiana.  Izao no zavatra mahakivy etỳ ambanin’ny masoandro: Koa satria mitovy ihany ny hiafaran’ny olona rehetra,+ dia ny hanao ratsy foana no mibahana ao am-pony. Misy hadalana ao am-pony mandritra ny androm-piainany, dia avy eo izy maty!*  Raha mbola anisan’ny velona ny olona iray dia mbola misy fanantenana, satria aleo alika velona toy izay liona maty.+  Fa fantatry ny* velona hoe ho faty izy,+ fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona,+ sady tsy mahazo valisoa* intsony, satria hadino daholo izay nahatsiarovana azy.+  Efa foana koa ny fitiavany sy ny fankahalany ary ny fialonany. Tsy mandray anjara amin’izay atao etỳ ambanin’ny masoandro intsony izy.+  Mandehana, hano amim-pifaliana ny sakafonao, ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao,+ satria mahafinaritra an’ilay tena Andriamanitra ny zavatra ataonao.+  Ataovy fotsy foana ny akanjonao,* ary asio menaka foana ny lohanao.+  Ankafizo ny fiainanao miaraka amin’ny vady malalanao,+ mandritra ny fiainana poakaty nomen’Andriamanitra anao etỳ ambanin’ny masoandro, mandritra ny androm-piainanao, izay tsisy dikany. Izany mantsy no valisoanao* eo amin’ny fiainana, sy valisoanao noho ny asa mafy isasaranao etỳ ambanin’ny masoandro.+ 10  Izay rehetra azonao atao, dia ataovy amin’ny herinao manontolo. Fa tsy misy afaka miasa, na mikasa hanao zavatra, na mahazo fahalalana, na maneho fahendrena, any amin’ny Fasana*+ halehanao. 11  Izao koa no hitako etỳ ambanin’ny masoandro: Tsy hoe maharesy foana izay mahavita mihazakazaka be, na mandresy foana izay matanjaka,+ na manana sakafo foana izay hendry, na manan-karena foana izay marani-tsaina,+ na tafita foana izay manam-pahalalana.+ Mety ho tratran’ny sampona* mantsy izy rehetra amin’ny fotoana tsy ampoizina. 12  Fa tsy fantatry ny olombelona ny fotoana hahafatesany.+ Toy ny trondro azon’ny harato sy vorona azon’ny fandrika ny zanak’olombelona, satria voafandrika izy amin’ny fotoana itrangan’ny loza, rehefa tratran’ny loza tampoka. 13  Izao koa no tena nampiaiky ahy etỳ ambanin’ny masoandro, momba ny fahendrena: 14  Nisy tanàna kely iray nisy lehilahy vitsivitsy. Dia nisy mpanjaka mahery tonga nanafika an’ilay tanàna, ka nanodidina azy ary nanorina manda hanaovana fahirano azy. 15  Nisy lehilahy mahantra nefa hendry koa tao, ary ny fahendreny no nahavoavonjy an’ilay tanàna. Tsy mba nisy nahatsiaro an’ilay lehilahy mahantra anefa.+ 16  Dia hoy aho anakampo: ‘Aleo fahendrena toy izay tanjaka.+ Atao tsinontsinona anefa ny fahendren’ny mahantra, ary tsy mba raharahiana ny teniny.’+ 17  Aleo manaraka ny teny malefaka lazain’ny hendry, toy izay manaraka ny antsoantson’ny olona manjaka eo amin’ny adala. 18  Aleo fahendrena toy izay fitaovam-piadiana. Mpanota iray fotsiny anefa dia mahavita manimba zavatra tsara be dia be.+

Fanamarihana

Abt: “dia aorian’izay, mankany amin’ny maty.”
Na: “tsapan’ny.”
Na: “karama.”
Izany hoe akanjo mazava loko satria falifaly ilay manao azy, fa tsy akanjo fisaonana.
Na: “anjaranao.”
Na: “Sheôl”, izany hoe toerana an’ohatra misy ny maty. Jereo F.T.
Na: “tampoka.”